Alahady 30 Janoary 2022

Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra, amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina. Romana 15:13

 

Ny fanantenana kristiana (1)

Raha vao mino an’i Jesosy ny olona iray, dia voavonjy. Amin’izay izy dia manana fanantenana, izay singa maha feno ny famonjena azony. Io fanantenana io dia „tehirizina any an-danitra” ho azy (Kolosiana 1:5), fananany, na tsapany izany na tsia !

Amin’ny fiteny mahazatra, dia misy tsy fahazoana antoka ao amin’ny fanantenana. Fa ao amin’ny fanantenana kristiana kosa dia tsy misy fisalasalana velively : „Ny finoana no fatokiana ny amin’ny zavatra antenaina” (Hebreo 11:1). Ny fanantenana kristiana dia fahazoana antoka fa hibanjina ny voninahitry ny Zanak’Andriamanitra, indray andro any, ary hiaraka aminy mandrakizay sy hitovy endrika aminy (1 Jaona 3:2 ; Jaona 17:24 ; 1 Tesaloniana 4:17 ; Romana 5:2).

Ny fanantenana kristiana dia fiandrasana ihany koa hiaraka amin’i Jesosy ao an-tranon’ny Ray, trano nanomanany toerana ho an’ireo olony (Jaona 14:1-3). Ny tranon’ny Ray dia ilay toerana itsaharana sy maha voaaro, toerana anjakan’ny fitiavana. Ao no akanin’ireo zanak’Andriamanitra, fitodiana farany amin’ny dian’izy ireo eto amin’izao tany izao.

Hoy ilay mpitoriteny antsoina hoe C. Spurgeon : „Ny fanantenantsika ao amin’i Kristy momba ny hoavy no antony sy fototry ny fifaliantsika etỳ an-tany. Ny fanantenana toy izany dia hanosika antsika hisaina matetika ny lanitra, satria any no nampanantenaina ny zavatra rehetra mety hirintsika. Etỳ isika dia reraka sy mavesatra entana ; fa any ambony any kosa no toerana hitsaharana”.

Ny fanantenantsika dia miorina amin’ny finoana ny fitsanganana amin’ny maty. Koa na dia misaona aza isika, dia tsy mba malahelo „tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana” (1 Tesaloniana 4:13).