Alatsinainy 31 Janoary 2022

Jesosy Kristy Tompontsika sy Andriamanitra Raintsika… efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara amin’ny fahasoavana. 2 Tesaloniana 2:16

… hihazona ny fanantenana napetraka eo anoloantsika, izay ananantsika ho vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika. Hebreo 6:18, 19

 

Ny fanantenana kristiana (2)

Ny fanantenana kristiana dia :

mampionona (andinin-tSoratra Masina voalohany etsy ambony) : mifamatotra amina „fampiononana mandrakizay”, ary mampionona dieny izao ny mpino, indrindra ireo izay anaty fisaonana. „Koa dia mifampionòna ianareo, amin’izany teny izany” (1 Tesaloniana 4:18).

tsara : omen’Ilay Andriamanitry ny fahatsarana, Izay tsy mba mandiso fanantenana.

ananana noho ny fahasoavana : nomen’Andriamanitra antsika maimaimpoana, satria tia antsika Izy. Tsy miankina amin’ny tsy fiovaovantsika na ny fahamendrehantsika izany.

mahafinaritra : „miandry ny fanantenana mahafinaritra” (Titosy 2:13). Na ao anaty fahoriana aza ny kristiana eo amin’ny fiainany, dia mahafantatra fa fahasambarana mandrakizay miaraka amin’Ilay „Andriamanitra finaritra” no hoaviny.

azo antoka : „Ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina… santatry ny lovantsika”, izany hoe antoka hahazoantsika io lova io, indray andro any (Efesiana 1:13, 14). Izy io dia voatahiry any an-danitra ho antsika (1 Petera 1:4).

mafy : „Ny fanantenana napetraka eo anoloantsika… [dia] vatofantsiky ny aina, sady mafy no tsy mihetsika” (Hebreo 6:18, 19).

manadio : „Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy (amin’i Jesosy Kristy) izany dia manadio ny tenany” (1 Jaona 3:3). Mitarika ny kristiana handositra ny ratsy ny fahatsinjovany hoe tsy ho ela izy dia hitovy amin’i Kristy ao amin’ny voninahiny.

velona : „fanantenana velona, tamin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty” (1 Petera 1:3). Io fanantenana io dia mifantoka amin’Ilay Olona tiantsika sy andrasantsika, dia „Kristy Jesosy fanantenantsika” (1 Timoty 1:1).

Fahasambarana toa inona moa ny manana fanantenana feno harena toy izany !