Talata 1 Febroary 2022

Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina ; iza moa no mahafantatra ny aminy ? Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo… mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy, dia araka ny vokatry ny asany. Jeremia 17:9, 10

 

Tsy hisy intsony mandrakizay anie izany !

„Tsy hisy intsony mandrakizay anie izany !” Impiry impiry moa no efa nandrenesana izany hiaka feno horohoro izany ? Miara-manandra-peo ny rehetra manoloana ny tranga tsy hay zakaina : ady mandripaka aina, vono moka mahatsiravina, fampihorohoroana an-jambany… Irina indrindra mba handaitra ireo lesona avy tamin’ny lasa, nefa inona no eo ? Mitohy mandriaka ny ra any amina faritra maro eto amin’ny bolan-tany, ary rariny raha mampitebiteby ny harefon’ny fifandanjan-kery maneran-tany. Tsy maintsy ekena fa na dia eo aza ilay faniriana mendri-piderana mba hisiana tontolo tsara kokoa, tontolo hahafongotra zava-mahatsiravina toy izany, dia mbola mitoetra ho amboadia ihany ny olona, ho an’ny olona toa azy.

Tsy ilaina ny mitady ny anton’izany any amin’ny toejavatra ara-toekarena, ara-pôlitika na ara-piarahamonina. Ny olana dia mitoetra ao anatintsika tsirairay. Antsoin’ny Baiboly hoe ota io olana io. Izy io no nampanalavitra antsika tamin’Andriamanitra, sy niandohan’ny fikorontanana rehetra eto amin’ny tontolontsika.

Tamin’ny andro nanomboana an’i Jesosy Kristy teo amin’ny hazofijaliana no natao ny fahotana lehibe indrindra. Izy no Ilay nirahin’Andriamanitra mba hamonjy ny olona. Nandritra ny fiainany manontolo Izy dia tsy nanao afa-tsy ny tsara, nijery ny fahorian’ireo rehetra nifanena taminy. Nefa dia nifanara-tsaina ny olona hitaky ny hamonoana Azy. Porofo hafa inona indray no mbola hilaina, mba hampisehoana fa ratsy hatrany am-potony ny fon’ny olombelona ?

Aza miandry fihatsarana eo amin’ny olona. Jesosy tsy akory tsy tonga tetỳ an-tany mba hampahatsara kokoa ny tontolontsika ; nefa kosa Izy maneho ny tenany amin’ny tsirairay ho Ilay Mpamonjy, vonona handravona ho an’ny tsirairay ny olana momba ny ota, mba hihavanantsika amin’Andriamanitra. Tonga tetỳ an-tany Izy, satria tia ny olona mpanota, ary ny fitiavany no nanosika Azy hanolotra ny ainy hamonjeny antsika.