Alarobia 2 Febroary 2022

Vovotany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony ; dia tonga olombelona izy. Genesisy 2:7

Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsantànanao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy ? Salamo 8:3, 4

 

Vovoka… nefa tian’Andriamanitra

Raha mijanona eo amin’io teny voalohany amin’ny lohateny io, dia tsy hanana antony hiderana tena ! „Vovotany” ihany isika tsirairay ! Ianao angamba efa nitsoka vovoka nanelingelina anao, tsy nihevitra izany akory, ary nanadino avy hatrany ny fisiany. Toy izany koa, raha tsofin’Andriamanitra fotsiny aho, dia hanjavona…

Nefa dia lazain’ny Baiboly koa fa nihevitra ahy Andriamanitra. Mba nanaiky nametraka ny fofonainy tato amiko Izy, hahatonga ahy ho zavamananaina afaka mifandray aminy. Marina fa mbola vovoka ihany, nefa dia tian’Andriamanitra !

Eny, ry Andriamanitra Mpahary ! nihevitra ahy izay vovoka Ianao, nijery ahy akaiky mihitsy. Tianao ny nanatona ahy tamina endrik’olombelona, tao amin’i Jesosy Kristy, ary nanao sorona ny tenanao, nanadio ahy ho afaka tamin’izay rehetra nandoto ahy, ny fikomiako sy ny tsy fankatoavako ny lalànanao. Afaka manamafy aho, tsy amin’avonavona, fa misy dikany ho an’Andriamanitra Izy tenany mihitsy ! Ianao no milaza izany amiko ao amin’ny Baiboly, ary ny avonavona dia hoe tsy hino Anao.

Nanangana ahy ho zanakao Ianao, nanome ahy ny Fanahinao, Izay ahafantarako fa zanakao aho, ka iantsoako hoe : Ray ! (Romana 8:15-17). Ray, ary Ray tena izy, mamy, mahery, tia ary tsy mandao ny zanany na oviana na oviana. Lahatra toa inona moa izany, ho ahy izay vovoka !

Izany fitiavana izany dia nasehonao koa tamin’ireo mpiara-belona amiko rehetra, tamin’izay mamaky ity takelaka ity amin’izao fotoana izao. Mba tiako indrindra anie ny hifampizara aminy izany fitiavana izany !

Stéphane