Alakamisy 3 Febroary 2022

Izahay dia tanimanga, ary Ianao no mpanefy anay, ary asan’ny tànanao izahay rehetra. Isaia 64:7

Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin’Andriamanitra rahateo. Efesiana 2:10

 

Avy tamina tanana mpahay taozavatra

Tany Florence (Italia), tamin’ny taonjato faha-16, dia nisy mpanakanto maromaro nandinika bolongam-batosoratra lehibe tsara tarehy, avo mihoatra ny efa-metatra, saingy indrisy fa voapaika-na mpanao sary sokitra nikaviavia. „Tsy misy na inona na inona ho azo avy amin’io”, hoy ny eritreritr’izy ireo. Nefa, indray maraina dia nisy tovolahy iray nanangana fefy manodidina ilay bolongana nilaozana teo. Ary nandritra ny efa-taona dia nandrenesana feo-na fandraka nipaika ilay vato. Rehefa nesorina ireo hazo fisaka nanakona ilay vato, dia nitolagaga ny mponina tao Florence, nibanjina sanganasa : nahatalanjona ilay tsangambato „David”, nataon’i Michel-Ange. Mandraka ankehitriny izy io dia mbola anisan’ny zavakanto tsara indrindra ao an-tanàna ao. Avy tamina bolongana mangatsiaka sy tsy nisy endrika, izay toa tsy azo ampiasaina intsony, no nipoirana zava-mahagaga kanto, tamin’ny alalan’ny fandrak’ilay mpahay taozavatra.

Maro ny miteny hoe : „Nopotehiko ny fiainako”. Nikaviavia izy ireo nipaika ny vatosoratry ny anjarany. Inona no mba tavela tamin’ireo ezaka nataony sy ireo fanantenany ? Aza mamoy fo ! „Apetraho amiko ny fiainanao, izay heverinao ho efa potika, hoy Jesosy Kristy, fa hovaiko ho voninahitr’Andriamanitra.” Raha ialanao ny sitraponao, mba hanatanterahany ny Azy, dia hampiasainy ny fiainanao potika, hamboarany zavatra mahafinaritra. Ny hataony voalohany angamba dia fefy manasaraka anao amin’izay zavatra tianao teo aloha, izay rehetra manakantsakana Azy amin’ny asany. Ary angamba koa Izy hipaika lalina ao amin’ireo vinavinanao sy ao amin’ny fonao. Satria ny tiany havoaka eo aminao, dia ny endriny mihitsy. Miasa Izy, mandra-pahatonga Azy ho ary ao anatintsika (Galatiana 4:19). Eny, ny Tompo dia mahay manova ho sanganasa izay zavatra nopotehintsika.