Zoma 4 Febroary 2022

Fiainana mandrakizay no omen’Andriamanitra antsika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany. 1 Jaona 5:11

(Hoy Jesosy :) Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ny tànako. Jaona 10:28

 

Ny faran’ny fahafatesana hoe ?

Mandroso fatratra ny asa fitsaboana, ary mivoatra ny ara-teknika ka ahafahana miresaka „olona nohatsaraina” mihitsy aza. Izany dia mahatonga mpahay siansa sasantsasany hanontany tena hoe : „Dia tena tsy azo ihodivirana tokoa ve ny fahafatesana ankehitriny ?”

Ny Baiboly, ao amin’ireo pejiny voalohany, dia efa manazava hoe nahoana ny fahafatesana no nahatratra ilay olona voalohany sy ny taranany rehetra. Tsy misy olona afaka niala na ho afa-miala amin’izany, na dia hanana ny fahaiza-manao rehetra homen’ny fahatakarana voaforon’ny olombelona aza.

Ny fahafatesan’ny vatana mantsy dia ampahany kely fotsiny, hita maso. Io fahafatesana io dia avy amina ratsy lalina lavitra nanimba ny fanahintsika, ilay ampahany tsy hita maso amin’ny maha isika antsika, ary tsy hay potehina. Io ratsy io dia ara-toe-panahy, ary nanimba ny fifandraisantsika tamin’Ilay Andriamanitra Mpahary antsika. Nanomboka teo ny olona dia nitady hiaina tsy miankina aminy. Amin’Andriamanitra dia „maty” ao amin’ny fahadisoantsika sy ny fahotantsika isika (Efesiana 2:1). Fitaka kolokoloin’i Satana, ilay rain’ny lainga, ny fiheverana fa misy teknika ara-pitsaboana, informatika, elektronika… afaka manafoana ny fahafatesana.

Andriamanitra irery no mahay mamonjy ny voariny amin’ny fahafatesana. Tonga nanatona antsika Izy. „Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao (ny olona rehetra) : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16). Mba handraisana maimaimpoana io fiainana io, dia tsy maintsy miaiky ny tsirairay fa nania, nanalavitra an’Andriamanitra.

Amin’izay, ny olona nandray io fiainana io dia tsy sahiran-tsaina amin’izay ho faharetan’ny fiainany eto an-tany, satria efa manana io fiainana mandrakizay io. Fanomezan’Andriamanitra io, ary tsy misy afaka hanaisotra izany aminy.