Asabotsy 5 Febroary 2022

Kristy maty noho ny fahotantsika, araka ny Soratra Masina, dia nalevina, ary natsangana tamin’ny andro fahatelo, araka ny Soratra Masina ; ary niseho tamin’i Kefasy Izy, dia vao tamin’ny roa ambin’ny folo lahy koa. Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’ny rahalahy tsy omby dimanjato Izy. 1 Korintiana 15:3-6

Raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo. 1 Korintiana 15:17

 

Mino ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty

Tsy anganongano tsy akory ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty, fa zava-nisy marina. „Amin’ny maha mpahay lalàna ahy, dia nanao fikarohana lalina aho momba ireo porofo naroso manamarina ny zava-nitranga manodidina ny nahafatesan’i Jesosy, ka nanatsoaka hevitra hoe mitombina izy ireo. Amin’ny maha olon’ny lalàna ahy, dia ekeko tsy misy fepetra ireo porofo ireo, hoe fijoroana ho vavolombelona nataon’olona azo inoana sy afaka manamarina ny maha mitombina ny tenin’izy ireo” (Sir Edward Clarke, mpitsara ao amin’ny Fitsarana Tampony any Grande-Bretagne).

Io fanambarana io dia mamintina fikarohana lalina maro hafa. Nefa tsy miantehitra amina porofo toy izany ny fahazoana antoka fa nitsangan-ko velona indray Jesosy. Lohahevitra ivon’ny Soratra Masina ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty. Manambara izany mialoha ny Testamenta Taloha, ary ny Testamenta Vaovao dia mitantara amin’ny antsipiriany ny momba izany sy ny fanambaran’ireo vavolombelona, izay nanjary niteny mihitsy hoe : „Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo” (Lioka 24:34).

Tsy mahatonga ahy ho kristiana ny fiheverako hoe mety nitsanganana tamin’ny maty tokoa Jesosy. Zavatra lehibe kokoa noho izany no ilaina, dia ny dingana hoe mino. Nanoratra ny apostoly Paoly hoe : „Raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao, ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao” (Romana 10:9). Fa raha mandà kosa ny fanambaran’ny Baiboly hoe nitsangana tamin’ny maty Kristy, dia mandà ny Tenin’Andriamanitra manontolo. Aleo miteny toa an’i Tomasy, izay tsy nino aloha, hoe : „Tompoko sy Andriamanitro !” (Jaona 20:28).