Alahady 6 Febroary 2022

(Hoy Jesosy :) Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho. Matio 18:20

 

Ireo fotoana ifanaovana amin’ny Tompo

Tany Galilia, faritany natao tsinontsinona tany Israely, no nanangonan’i Jesosy ny mpianany manodidina Azy, rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy. Nanjary ivon’ny fivorian’ireo mpino Izy, Ilay Mesia nolavina, Ilay nohomboana teo amin’ny hazofijaliana, nefa nitsangana velona indray ankehitriny.

Tonga tamin’ny fotoana nifanomezana ireo mpianatra iraikambinifolo lahy, ary nahazo misiona vaovao, miaraka amin’ny teny fampanantenan’ny Tompo hoe : „Indro, Izaho momba anareo mandrakariva” hatramin’ny farany (Matio 28:20).

Tantarain’ny Filazantsara araka an’i Jaona antsika, fa tamin’ny alahady nitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty, dia tonga teo afovoan’ny mpianany Izy, tao Jerosalema, tao amin’ilay efitrano (ambony rihana) nivorian’izy ireo nihidy varavarana, ka niteny tamin’izy ireo hoe : „Fiadanana ho anareo !” (Jaona 20:19, 26).

Mandraka ankehitriny ireo mino ny Tompo Jesosy dia mbola angoniny tsotra manodidina Azy, tsy misy fombafomba na fitsipika. Izy sy ny asany dia ampy hahasarika ka hambabo sy hamelombelona ny fitiavan’izy ireo mbamin’ny eritreriny. Ny andrasan’ny Tompo amin’izy ireo dia ny hitiavan’izy ireo Azy. Marina fa eo amin’ny tsirairay, izany fitiavana izany dia miseho amina fiainana atokana tanteraka ho Azy. Izany fitiavana izany koa no mitarika azy ireo hiraiki-po amin’ireo rahalahy sy anabaviny rehetra ao amin’i Kristy. Ary mbola io fitiavana io koa no antony mampivory azy ireo am-pifaliana manodidina Azy, mba hihaino Azy sy hivavaka aminy, ary isan’alahady, mba hidera sy hitsaoka Azy.