Alatsinainy 7 Febroary 2022

Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra ; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany. Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy hoe : Sambatra ny malahelo am-panahy ; fa azy ny fanjakan’ny lanitra. Matio 5:1-3

 

Ireo „Sambatra” (1)

Tsara vakina : Matio 5:1-12

Ny antsoina hoe „Sambatra” dia ireo teny valo nanombohan’i Jesosy ny fampianarana nomeny ny mpianany (Matio 5 hatramin’ny 7). Teny feno harena ara-toe-panahy tsy ampoizina ireo, manohitra ny fanaon’ny olona manodidina antsika. Alohan’ny handinihana ny hevi-dalin’ireo „Sambatra”, dia andeha aloha isika hanopy maso ny zava-nitranga : nipetraka teo an-tendrombohitra Jesosy, teo anilany ireo mpianany, ary manodidina Azy ny vahoaka maro.

Inona no hitan’ireo vahoaka ? Jesosy sy ny mpianany no hitany. Olon-tsotra ihany izy ireo, fotoana fohy talohan’izao, fa ankehitriny kosa dia nanjary mpianatr’i Jesosy. Mety hanelingelina izany, ary mety hampanahy mihitsy aza. Ny mpianatra kosa, mahita ireo vahoaka hitoriany tsy ho ela ny fanjakan’ny lanitra (Matio 10:7). Hitan’izy ireo koa Jesosy, Izay hianarany hofantarina sy hotiavina.

Lazaina antsika hoe : „Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka”. Ary aoriandriana kely : „Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy, toy ny ondry tsy misy mpiandry” (Matio 9:36). Fa hitan’i Jesosy ihany koa ireo mpianany. „Ary Jesosy nanopy ny masony tamin’ny mpianany…” (Lioka 6:20).

Ny „Sambatra” tsirairay dia avy amin’io fijerin’i Jesosy io, fijery feno fitiavana. Ireo mpianatra dia nantsoina mba hanaraka Azy amina saina tsy mankafy harena sady feno fanetrentena. Namoy ny zavatra rehetra izy ireo. Tsy manana na inona na inona eto amin’ity tontolo ity izy ireo. Hahatsapa tena ho marefo ve ireo mpianatra ireo ? Tsia, manana ny zavatra rehetra izy ireo, eo anilan’i Jesosy. Ary izy ireo no voalohany mba tian’i Jesosy hantsoina hoe : „sambatra”.

(ny tohiny isan-kerinandro ao anatin’ny herinandro 9)