Talata 8 Febroary 2022

Dia aza manahy ianareo ka manao hoe : Inona no hohaninay ? na : Inona no hosotroinay ? na : Inona no hotafinay ? … fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany. Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. Matio 6:31-33

 

Manonofinofy…

Amina fiandohan’ny taona dia matetika ny olona no mandray fanapahan-kevitra tsara ; tiana ihany koa indraindray ny manonofinofy, ka irina ireto :

— tany tsy misy herisetra, tsy misy ady

— planeta tsy dia voaloto loatra

— fiainana tsy misy olana

— tsy hisy zaza mitomany intsony, na madinika ampijalina

— tsy hisy tsy rariny intsony, na olona mahantra

— tsy hisy fizirizirian-tsaina intsony, na fanaovana vono moka olona

— vady sy zanaka sahaza

— ankohonana mivelatra

— vatana tsy miha antitra, tsy ho faty…

Faniriana ihany anefa ireo, tsy misy vahaolana avy amin’olombelona !

Fa ankehitriny kosa Andriamanitra dia manolotra zavatra hafa. Te hanome izay fantany fa zava-dehibe hahasambatra antsika Izy. Nirahiny ho etỳ an-tany ny Zanany Lahitokana, mba hanome ahy :

— ny famelan-keloka noho ireo faniratsirako rehetra

— ny famotsoran-keloka noho ireo fahadisoako

— ny fanantenana manoloana ny fahafatesana, ny fahazoana antoka ho any am-paradisa

— ny toro lalana sy fahazavana mba hitarika ny fiainako

— ny hery ao anatin’ireo zava-manahirana

— ny herimpo ao anatin’ny fahoriana

— ny fiadanana ao anatin’ny fijaliana

— ny valin’ireo fanontaniako momba ny fisiana

— ny fahasambarana, ambonin’ny zavatra rehetra…

Ny fiainana, tsotra izao, fiainana be dia be sy ho mandrakizay !

„Andriamanitra… manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa” (Jakoba 1:5).