Alarobia 9 Febroary 2022

Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. Hoy izaho : Hiaiky ny fahadisoako amin’i Jehovah aho ; ary Ianao dia namela ny heloky ny fahotako. Salamo 32:5

Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Salamo 32:1

 

Rehefa fantatry ny tompo…

Karim dia niasa tao amina andriambe arabo manam-pahefana be. Izy io dia nanana saha midadasika nisy karazam-borona vahiny, ary anisan’ireo, gana iray tena tsy fahita, notandroviny fatratra. Indray andro i Karim dia nahatsikaritra zavatra nivoaka avy tao amina kirihitra kely, ka avy hatrany dia nitoraka azy tamin’ny antsamotadiny… Loza ! Matiny ilay ganan’ny andriambe ! Nivarahontsana izy, ka nandevina ilay vorona, ary nihevitra fa tsy nisy nahita. Tsy ela dia fantatra fa tsy hita ilay gana. Tezitra mafy ilay andriambe, natao ny fikarohana, nefa tsy nisy vokany…

Taoriana kelin’izany dia nasain’ny mpahandro sakafo nantsaka rano i Karim. Nandà izy. Dia nibitsibitsika taminy ilay mpikarakara sakafo hoe : „Rehefa fantatry ny tompo hoe iza no namono ilay gana…” Ketraka i Karim, ka tsy maintsy nanaiky. Dia nohararaotin’ilay mpanao sakafo ny toejava-nisy mba hampanaovany raharaha isan-karazany an’i Karim. Isaky ny manandrana mikomy i Karim, dia averiny ilay fandrahonany : „Rehefa fantatry ny tompo…”, ka mankatò i Karim. Gagan’ny fanoavany ireo mpanompo hafa.

Tsy zakan’ilay zazalahy mahantra intsony izany. Farany, indray andro dia nandady teo an-tongotry ny andriambe izy, niaiky taminy ny fahadisoany, ka nahazo famelan-keloka avy aminy. Karim afaka sy velombelona no avy nihaona tamin’ny tompony. Nifanena tamin’ilay mpanao sakafo izy, ka nirahiny hantsaka. Nandà i Karim, ary rehefa nisisika ilay iray nandrahona hoe : „Rehefa fantatry ny tompo…”, dia novaliany, toy ny fanaon’ny mpandresy, hoe : „Efa fantany, ary efa navelany ny fahadisoako !”

Izany tantara izany dia maneho an-tsary ny zavatra iainana manafaka ny mpanota rehetra miaiky ny fahadisoany amin’Andriamanitra : fantany fa voavela heloka izy, afaka tamin’ny vesatry ny fahamelohany sy ny fanandevozan’i Satana. Manana fihavanana amin’Andriamanitra izy.