Alakamisy 10 Febroary 2022

Jehovah no harambatoko sy baterỳ fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy ; Andriamanitro, vatolampy ialofako. Salamo 18:2

Andriamanitry ny fahasoavana rehetra… no… hampiorina ary hampitoetra anareo. 1 Petera 5:10

 

Loharanon-kery ho an’ny kristiana

Isika rehetra dia mila tsy fiovaovana sy soridalana, eo amin’ny fiainana. Nefa eo amin’ilay andavanandrontsika milamina, dia mety hisy fitsimbadihana : aretina, fahafatesana havana, fahaverezana asa… Tampotampoka eo isika dia mety hamoy ireo andry niankinan’ny toera-mitombina nisy antsika : dia iny fa toa mirodana avokoa ny zavatra rehetra. Nefa eo akaikintsika dia misy loharanon-kery maro :

— Ny hamorampon’Andriamanitra. Tsy miankina amin’ny fahamendrehantsika izany. Mamaly ny filàn’ny tsirairay. Tsy miankina amin’ny toejavatra mitranga eo amin’ny fiainana, fa „mitoetra mandrakizay”.

— Ny Baiboly. Izy io dia toy ny vatofantsika eo anivon’ny tafiodrivotra. Mampita fahazoana antoka sy fahamarin-toerana amin’ireo rehetra matoky an’Andriamantra. Nampahery sy nanohana olona an’arivony kivy sy very hevitra. Nampisy tanjona ny fiainan’izy ireo, tsy nampahafantatra azy ireo antokom-pivavahana tsy akory, fa Olona iray, dia Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra.

— Jesosy. Tsy Ilay Kristy maty aseho eo amin’ireny sary-na hazofijaliana ireny tsy akory. Nohomboana teo amin’ny hazofijaliana Izy, 2000 taona lasa izay, mba hamonjy antsika tsy hiharan’ny fitsaran’Andriamanitra, fa nitsangana tamin’ny maty kosa, ary velona ankehitriny (Matio 28:7). Jesosy dia Ilay Olona sady Andriamanitra, azon’ny kristiana rehetra ianteherana mandrakariva. Te ho herinao Izy, te ho fierena eo amin’ny fiainanao, te ho fialofan’ny fonao. „Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” (Matio 11:28). Mihelina avokoa ny zava-drehetra manodidina antsika, ary farany dia ho levona, fa Jesosy kosa dia Ilay mitoetra ho mandrakizay. „Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay” (Hebreo 13:8).