Zoma 11 Febroary 2022

(Nanoratra i Solomona mpanjaka hoe :) Inona no soa azon’ny olona, amin’ny fisasarany rehetra izay isasarany atỳ ambanin’ny masoandro ? Mpitoriteny 1:3

(Paoly, mpifatotra, nanoratra hoe :) Izaho efa nianatra tsy hierina, na manao ahoana na manao ahoana. Filipiana 4:11

 

Afa-po sa… tsia ?

Albert Einstein (1879-1955), iray tamin’ireo manampahaizana lehibe indrindra tamin’ny taonjato faha-20, dia niteny izao tamin’ny faramparan’ny fiainany : „Raha tsy maintsy hamerina ny fiainako aho, dia hanao mpikojakoja fantson-drano (plombier) !”

Antoine de Saint-Exupéry (1900-1944) dia iray tamin’ireo mpisava lalana momba ny fanamoriana fiaramanidina sady mpanoratra fanta-daza. Andro vitsivitsy talohan’ny nanjavonany niaraka tamin’ny fiaramanidiny, dia nanoratra izy hoe : „Natao ho mpikarakara zaridaina aho”.

Solomona, mpanoratra ny andininy nomena androany, dia ilay mpanjaka namiratra indrindra tamin’ny fotoanandrony, noho ny fahendreny sy ny harenany. Rehefa akaiky ho faty izy dia nanoratra hoe : „Nitodika aho nandinika ny asa rehetra nataon’ny tànako… ka, indreo, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany reheta izany” (Mpitoriteny 2:11). Olona maro nalaza, nefa tsy taitran’inona na inona intsony…

Ny olona dia noarìna hitovy endrika amin’Andriamanitra. Nefa nanapaka ny fifandraisany tamin’Andriamanitra ny tsy fankatoavan’i Adama. Ny fandalovan’ny olona etỳ an-tany dia „zavona ihany… izay miseho vetivety, dia levona” (Jakoba 4:14). Na dia nalaza aza izy, dia tsy nety afa-po. Mahatsapa fahabangana lalina izy. Andriamanitra, Izay tia ny voariny, dia nameno izany hantsana izany tamin’ny nanolorany an’i Jesosy Zanany, ho famonjena ny olombelona. Izay miaiky fa very, ary mino ny Tompo Jesosy, dia voavonjy sy manana ny fiainana mandrakizay. Izay tsy mandray io famonjena io dia ho very mandrakizay.

Teo amin’ny faran’ny fiainany, ny apostoly Paoly, tany an-tranomaizina, dia olona nahatsiaro ho sambatra. Na nihevi-tena ho lohan’ny mpanota aza izy, dia nino izay nolazain’Andriamanitra : „Fantatro Izay inoako” (2 Timoty 1:12). Ny finoany no anton’ny fiainany sy ny asa fanompoany ny Tompony, hatramin’ny nahafatesany ho maritiora. Lehilahy afa-po tanteraka izy !