Asabotsy 12 Febroary 2022

Fa izay ivelomako ankehitriny… dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. Galatiana 2:20

Izy (Jesosy) nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany teo ambonin’ny hazo, mba ho faty ny amin’ny ota isika, fa ho velona ny amin’ny fahamarinana. 1 Petera 2:24

 

Nahoana no maty Jesosy ? (1)

Mba efa nisaintsaina momba izany ve ianao ? Mahakasika antsika tsirairay mantsy izany, satria ny valiny omentsika no iankinan’ny hoavintsika eto amin’izao fiainana izao sy any ankoatra. Pilato, ilay governora romana, dia nahafantatra fa „fialonana no nanolorana” an’i Jesosy (Matio 27:18). Takany fa nialona an’i Jesosy ireo mpitarika ara-pivavahana ; koa nampangain’izy ireo Jesosy hoe nitady hanao ny tenany ho mpanjaka sy hikomy amin’ny fahefan’ny amperora. Nefa angamba satria natahotra i Pilato sady nanao kajikajy ara-pôlitika, dia nanameloka an’i Jesosy ihany, na dia nahafantatra Azy ho tsy nanan-tsiny aza. Izany no mahatonga olona sasantsasany handray an’i Jesosy ho solontenan’ireo rehetra tsy manan-tsiny vonoina tsy ara-drariny. Nefa mbola misy zavatra lehibe lavitra noho izany. Jesosy dia nanolotra ny ainy noho ny fitiavany. Nanoratra ny apostoly Paoly hoe : „Ny Zanak’Andriamanitra… efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy”. Rehefa mieritreritra ny fahafatesan’i Jesosy ianao, dia tsy afaka hisalasala ny amin’ny fitiavany anao. Fitiavana tsy misy fetra… Nanaiky hanolotra ny ainy Jesosy, ary na dia ho an’ireo mpampijaly Azy koa aza. Nanolotra ny ainy Jesosy mba hamonjeny antsika. „Izy nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany, teo ambonin’ny hazo”. Teo amin’ny hazofijaliana Jesosy dia nitondra ny fahotantsika, izay nanidy ny varavarana ahafahantsika manatona an’Andriamanitra. Voaheloka nisolo toerana antsika Izy, mba ahafahan’Andriamanitra mamela heloka antsika, mba tsy hananantsika tahotra eo anatrehany, satria efa nafahana tamin’ny fahamelohana rehetra. „Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra” (1 Petera 3:18). Ry Mpamonjy malala, — Ho ahy, mpanota, No nanoloranao ny tenanao. Rehefa mahita Anao aho — Mijaly eo amin’ny hazofijaliana, Dia mahafantatra fa tia ahy fatratra Ianao.