Alahady 13 Febroary 2022

Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra. 1 Petera 3:18

 

Nahoana no maty Jesosy ? (2)

Maty teo amin’ny hazofijaliana Jesosy, satria tia antsika ary te hitondra antsika ho eo amin’Andriamanitra. Ny fahafatesany dia tsy vitan’ny hoe porofon’ny fitiavany tsy misy fetra fotsiny, fa tamin’izany koa no nanafahany antsika tsy hiharan’ny fitsarana. Jesosy dia nivavaka tamin’ny Rainy hoe : „Vitako ny asa nomenao Ahy hataoko” (Jaona 17:4). Ary taloha kelin’ny hahafatesany, dia niteny Izy hoe : „Vita” (Jaona 19:30).

Ny fitiavantenantsika, ny fankahalantsika, ny fitadiavantsika izaitsizy, ny fahambanian-tsaintsika, ny avonavontsika, ny fahavetavetantsika, ary ny fahadisoana mahatsiravina hafa rehetra izay mandoto ny fiainantsika, dia niakatra ho toy ny rindrina lehibe nampisaraka antsika tamin’Andriamanitra. Fa Jesosy kosa dia nijaly teo amin’ny hazofijaliana mba handrava io rindrin’ny fahotana io. Izy, Ilay marina, dia nisolo toerana antsika, izay tsy marina ; nanefa ny trosantsika Izy, nitondra ny entantsika mavesa-be. Nataony izany mba ho afaka mamela heloka tanteraka antsika Andriamanitra, nefa tsy hisy na inona na inona manohintohina ny fahamarinany.

Noho ny fitiavany no nanatanterahan’i Jesosy izany asa izany. Tsy misy na inona na inona, eto amin’izao tontolo izao, hay oharina amina fitiavana toy izany, fitiavana manao sorona ny tena, tsy ho an’ny sakaizany, fa ho an’ny fahavalony. Tokana dia tokana izany fitiavana izany, ary tena mahatalanjona. Koa tokony hino an’i Jesosy Kristy ianao. Tia anao fatratra Izy, ka nanaiky hizaka izany rehetra izany, ho anao. Manatsotra ny tanany voaloakan’ny fantsika Izy, mba handraisany anao. Aza miandry intsony.