Alatsinainy 14 Febroary 2022

Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy hoe : Sambatra ny malahelo am-panahy ; fa azy ny fanjakan’ny lanitra. Matio 5:2, 3

Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena. Jakoba 4:6

 

Sambatra ny malahelo am-panahy (2)

Ny teny voalohany naloaky ny vavan’i Jesosy, tamin’ny toriteniny tany an-tendrombohitra, dia ny hoe : „Sambatra” !

Jesosy dia mitaona antsika hiaina zavatra lehibe lavitra sy mafy lavitra noho izay fahasambarana kely miorina amina fitiavantena, mifantoka amin’ny tena, ary mihitsoka amina fahazarana maro. Hoy ny Tompo : „Sambatra ny malahelo am-panahy”. Ny lazainy amin’izany dia ireo izay manana fanahy tsy mieboebo, fa manetry tena, miaiky ny tenany ho mahantra, ho tsinontsinona.

Ny fahasambarana atolotr’i Jesosy dia mifamatotra amina toe-panahy ahafahana miditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Ireo manana fanahy „mahantra” [io adika ao amin’ny Baiboly io hoe : „malahelo”], fanahin’ny fanetrentena, dia mino avy hatrany izay lazain’Andriamanitra, toy ny zaza madinika, fa tsy be adihevitra. Izany fanetrentena ara-panahy izany no ahafahan’Andriamanitra maneho ny tenany amin’ny fanahin’izy ireo (Matio 11:25). Dia eken’izy ireo tsy misy fepetra ny fitsaran’ny Tenin’Andriamanitra momba ny avonavon’ny olona araka ny nofo, nefa hitan’izy ireo koa ny harenan’ny fanjakana izay azy ireo.

Ahoana moa no hahafahan’ny mpiavonavona —izay matoky tena, miantehitra amin’ny harenany ara-bola na ara-tsaina, amin’ny fahefany- hanome hasina ireo malahelo am-panahy ? Tsy ho fantatr’izy ireo ny „fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina”, izay mamaritra ny fanjakan’Andriamanitra (Romana 14:17).

Ireo izay miaina toy ny „malahelo am-panahy” eto amin’ity tontolo anjakan’ny avonavona ity, dia matetika tsy ho azon’ny olona, hataony tsinontsinona. Tsy maninona izany, izy ireo no sambatra, izy ireo no manana ny anjara tsara indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.

„Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao ; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao” (Ohabolana 3:5, 6).