Talata 15 Febroary 2022

Hoy Jesosy taminy : Izaho no mofon’aina ; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. Jaona 6:35

 

Finoana malemy hoe ?

Nisy evanjelista iray nanome izao sarisary izao : Alaivo an-tsaina ianao hoe mibolisatra amina fidinam-be mitsatoka, miafara any anaty hantsana. Ary io, eo amin’ilay fidinana, misy rantsan-kazo takatry ny tanana. Ho mafy, ampy hahatana ahy ve izy io ? Tsy fantatro, nefa dia fikiriko mafy. Tokony ho resy lahatra tanteraka ve aloha aho, hoe hahatana ahy io rantsan-kazo io ? Tsia. Finoana malemy, ary mety niaraka tamina fisalasalana aza, dia ampy nahatonga ahy hanatsotra ny tanako sy handray ilay rantsan-kazo. Ratsy be sy mananontanona mantsy ny toejavatra, ka tsy misy dikany izay fihetseham-poko, fa ilay rantsan-kazo ihany no zava-dehibe. Dia toy izany koa : tsy ny hatsaran’ny finoantsika no mamonjy antsika, fa Ilay nametrahan’io finoana io ny fitokisany. Jesosy no Ilay rantsan-kazo. (araka an’i Tim Keller)

Raha mizotra toy ny hoe eo amoron-tevana ny fiainanao, dia eo akaikinao Jesosy, tia anao, mahare sy mahatakatra na dia sentom-pitarainana kely fotsiny aza. Velona Izy, ary akaiky. Nahoana no tsy „hamikitra amin’ilay rantsan-kazo” ? izany hoe miresaka amin’i Jesosy, milaza aminy, na ny fikomianao aza, ny fangidiana ao anatinao, ny famoizamponao. Miresaka mivantana aminy, satria mahatsapa fa tia anao Izy ary mahare anao. Izany no dingana voalohany ataon’ny finoana : fiantombohana fifampiresahana.

Hiteny avy hatrany aminao Izy hoe :

— „Izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy” (Jaona 6:37). Mba hamaly Azy ve ianao hoe :

— „Manatona Anao àry aho, ry Tompo, miaraka amin’ny filàko fiarovana, famelan-keloka, fahafahana, nefa koa miaraka amin’ireo fahadisoako sy ireo fahotako” ? Dia mbola hiteny aminao koa Izy hoe :

— Eto amiko no misy famelan-keloka. „Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao” (Jeremia 31:3).