Alarobia 16 Febroary 2022

Jesosy niteny tamin’ny olona indray ka nanao hoe : Izaho no fahazavan’izao tontolo izao ; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina. Jaona 8:12

 

Tovovavy sinoa iray niova fo

Mitantara ity tovovavy sinoa :

„Indray andro aho dia nahare mpitoriteny iray nanao izao fampitahana izao : „Raha avelantsika ao amina toerana maizimaizina ny tapa-kazo iray, dia hisy bibikely isan-karazany hiafina ao ambaniny. Fa raha ataontsika eo amin’ny mazava kosa io tapa-kazo io, dia handositra ireo, satria mankahala ny mazava. Dia toy izany koa ny fontsika : Raha tsy mitoetra ao Jesosy, Ilay fahazavan’izao tontolo izao, dia ao anaty haizina ny fontsika, ary manafina eritreritra ratsy isan-karazany. Fa raha vao raisintsika kosa Kristy, ary miaraka aminy ny fahazavana entiny, dia miala ireo eritreri-dratsy ireo”.

Hatry ny fony vao zaza aho dia efa natahotra bibikely. Tatỳ aoriana, nilalao teo an-tokontany aho no nahita tao anaty bozaka, vato iray nampahatsiaro ahy ny fampitahana nataon’ilay mpitoriteny. Natsofoko tao ambanin’ilay vato ny hazokely teny an-tanako, dia ningaiko ilay vato. Nihahaka avy hatrany ny androngo lehibe iray, trambo iray, ary bibikely maro. Dia nisy feo anaty niteny tamiko hoe : „Toy io vato io ianao, malama sy madio etỳ ivelany, nefa feno fahotana ao anatiny”.

Dia takatro fa tena fihatsarambelatsihy tanteraka ny mihambo hanaraka ireo fomban-drazanay sinoa mifono fitiavana, fahamarinana ary fahatsaran-toetra, ka resy lahatra aho fa mpanota. Navelako teo ilay hazokeliko, ary nihazakazaka nankao an’efitranoko aho… Nandohalika teo akaikin’ny fandriako aho, ary nivavaka hoe : „Tompo ô ! mamelà ny fahotako, ary ampio aho hahatakatra ny Teninao”. Dia nitsangana haingana aho, nidobodoboka ny foko, ary namiratra ny tavako. Izay aho vao nahita fiadanam-po !”