Alakamisy 17 Febroary 2022

(Hoy Jesosy :) Izaho no Mpiandry Tsara ; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry… Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana ; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be. Jaona 10:11, 10

 

Ny tantaran’ilay sary hosodoko

„Teraka tany Afrika Avaratra aho, saingy nobeazina tany Frantsa. Tao anaty kolontsaina silamo aho, nefa raha ny marina dia tsy nino an’Andriamanitra. Tena nankafy mozika aho, ka nitendry zava-maneno maro karazany sy namoron-kira.

Indray andro aho dia notaomin’ny talen’ny orinasa mpamoaka ny hirako, mba hamorona tantara an-kira. Rehefa nandeha hody aho dia avy ny orana, ka nialoka teo amina vava varavarana iray aho, mba hieritreritra an’io tolotra io. Vava varavaram-piangonana ilay nialofako. Niditra aho ary nisarika ny masoko ny sary hosodoko mampiseho olona iray mitrotro zanak’ondry, sary misy soratra eo ambany hoe : „Ny Mpiandry tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry”. Nieritreritra aho hoe : „Olona manao ahoana no vonona hanolotra ny ainy ho an’ny hafa ?” Nangatahiko ilay pretra teo mba hitantara amiko ny tantaran’io sary hosodoko io. Nomeny ahy ny filazantsara efatra. Teo no ho eo aho dia namorona tantara an-kira momba ny fiainan’i Jesosy, saingy tsy azo novokarina ilay izy. Niteraka firehetam-po be loatra loatra mantsy ilay lohahevitra !

Tsy nampaninona anefa izany, ary nanjary fiainako manontolo aza Jesosy. Nitsahatra tsy nisotro sy tsy nifoka intsony aho. Tsy liana intsony aho handany fotoana any amin’ny trano fisotroana na hanao ny danin’ny kibo. Ny tena niriko aza dia ny hiverina any Afrika Avaratra, mba hiresaka amin’i Nora vadiko momba an’i Jesosy, Izay niditra teo amin’ny fiainako. Voakasik’i Kristy koa izy, satria novalian’i Kristy ny vavaka nataony. Ankehitriny izahay dia miara-manompo ny Tompo ary mamoron-kira ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra, amin’ny fiteny beribera, arabo ary frantsay.”

Rafik