Zoma 18 Febroary 2022

Iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa, iray Andriamanitra sady Rain’izy rehetra. Efesiana 4:5, 6

 

Fivavahana kristiana sa finoana an’i Kristy ?

Niady hevitra momba ny finoana kristiana ireto mpinamana roa lahy.

— Aminao ve, tokana aman-tany ny fivavahana arahinao ? Tena mifanohitra amin’izany anefa ny zava-misy ! Mizarazara tanteraka izy io. Fahiny dia nandrotidrotika ny kristiana ireo adin’antokom-pivavahana ; ankehitriny, tsy tambo isaina intsony ny fiangonana mahaleo tena, na ny sekta milaza ny tenany ho manaraka ny Baiboly, milaza izany mazava na tsia.

— Marina izany ; saingy tsy fivavahana tokana no resahiko anao, fa Olona tokana, dia Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra. Izy no Mpamonjiko sady Mpamonjin’ny kristiana rehetra maneran-tany. Ary tsy ny maha mpikambana ao anaty vondrona iray no manan-danja, na ny manaraka rijan-kevitra izatsy na izaroa, fa ny mino an’i Jesosy, ny manana fifandraisana velona aminy.

— Ny olona tsirairay dia mino zavatra maromaro tokoa. Ary ao amin’ny sehatry ny finoana, mihoatra noho ny any amin’ny sehatra hafa, no ahitana ny karazan-kevitra rehetra. Raha mihaino ny haino aman-jery fotsiny, dia samy mahare izay tiany ho re.

— Izany tokoa angamba, nefa finoana tokana ihany no mahavonjy, dia ny mino izay lazain’Andriamanitra ; tsy hoe mino ny fisiany fotsiny, fa mino izay lazainy ao amin’ny Baiboly.

— Nefa hono ny Baiboly toa azo ampilazaina izay tiana holazaina.

— Tsia, tena mazava tsara ny hafatr’Andriamanitra. Nefa raha mianina fotsiny amin’ireo fanehoan-kevitra mahazatra ianao, dia hitoetra mandrakariva ao anaty tsy fahazoana antoka. Raha te hahafantatra ny marina ianao, dia angataho Andriamanitra hanazava anao. Nampanantena Jesosy hoe : „Izay mitady no mahita ; ary izay mandondòna no hovohaina” (Lioka 11:10).