Asabotsy 19 Febroary 2022

Fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany. Jeremia 31:34

Ary, indro, nisy lehilahy anankiray mararin’ny paralysisa nandry tamin’ny fandriana nentin’ny olona teo aminy ; ary Jesosy, nony nahita ny finoan’ireo, dia nanao tamin’ilay mararin’ny paralysisa hoe : Matokia, anaka ; voavela ny helokao. Matio 9:2

 

Mila famelan-keloka isika (1)

Iza no tsy mila famelan-keloka mamafa ny lasa ? Iza no tsy miandrandra fiainana anaty fihavanana amin’Andriamanitra sady fihavanana hitohy hatrany ?

Miraikitra ao amin’ny fitadidiana ao, misy tsiambaratelo manenjika ny fieritreretana, sy zava-dratsy niniana natao ary tena mahamenatra… Iza no mahay manafaka amin’izy ireo ? Hanaraka antsika hatrany ankoatra ve ireo ?

Jesosy Kristy irery ihany no afaka mamaly izany hetaheta famelan-keloka, fiadanam-po, ary ny mandrakizay izany. Ny fahafatesany teo amin’ny hazofijaliana no namafa ireo fahotana. Rehefa jereny ireny zavatra toa tsy hay hadinoina ireny, tsy hay analana tsiny ny tena, dia hoy Izy : „Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volonondry fotsy” (Isaia 1:18). „Tsy hotsarovako intsony ny fahotany” (Jeremia 31:34). „Sambatra ny olona izay voavela ny helony” (Salamo 32:1). „Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy” (Romana 8:1). Ary „fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika” (Romana 6:23).

Eny, Andriamanitra dia mamela heloka ! Nefa tsy maintsy miaiky —mamboraka aminy- izay nataontsika isika (1 Jaona 1:9). Dia ho afaka hiteny amintsika Andriamanitra hoe : Nanao izany ianao, efa voafafa izany. „Ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra” (1 Jaona 1:7).

(rahampitso ny tohiny sady farany)