Alahady 20 Febroary 2022

Izay mino ny Zanaka (Zanak’Andriamanitra) manana fiainana mandrakizay. Jaona 3:36

Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana ; izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra no tsy manana ny fiainana. 1 Jaona 5:12

 

Mangetaheta fiainana mandrakizay (2)

Rehefa mbola zatovo, dia ohatra ny ho lavabe ny fiainana. Fa toa fohy kosa izy, rehefa tonga ny dimampolo taona. Ary rehefa ihoarana ny fitopolo taona, dia tsapa fa voaisa ny androntsika. Mety tsy misy na inona na inona ve, ankoatra izao fiainana izao ? Tsapantsika ao anatintsika lalina ao fa misy, ary hamafisin’ny Baiboly izany (Mpitoriteny 3:11).

Ny fiainana mandrakizay dia omena antsika rehefa mino an’i Jesosy isika. Tsy manomboka eo amin’ny fahafatesantsika tsy akory izany. Omena antsika alohan’ny hahafatesana izany, omena androany. Ary aorianan’ny fahafatesana dia tsy afaka handray izany intsony. Ny fiainana mandrakizay dia mitohy aorianan’ny fahafatesan’ny vatantsika, mitohy ho mandrakizay, miaraka amin’ny Tompo, Izay tia antsika ary tiantsika.

Ny Baiboly dia miresaka ny fiainana mandrakizay hoe fanomezana avy amin’Andriamanitra, izay tsy azo afa-tsy „ao amin’i Jesosy Kristy Tompontsika” irery ihany. „Fa fahafatesana no tambin’ny ota ; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika” (Romana 6:23).

Ny fiainana mandrakizay dia tsy voafintina amina fifandimbiasana taona tsy manam-pahataperana. Ny fiainana mandrakizay dia tsy miankina amin’ny fotoana, ary efa ananantsika tamin’ny fotoana ninoantsika an’i Kristy. Manana izany isika ankehitriny, ary ho mandrakizay. „Izao ny fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao” (Jaona 17:3).