Alatsinainy 21 Febroary 2022

Sambatra ny ory ; fa izy no hampifalina. Matio 5:4

Jehovah efa… naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo… ary hitory fanafahana amin’ny babo, … hampionona ny malahelo rehetra. Isaia 61:1, 2

 

Sambatra ny ory (3)

Manoloana ny fahafatesana dia miteny amintsika Jesosy, toy ny noteneniny indray andro tamin’ilay reny namoy ny zanany lahitokana, hoe : „Aza mitomany” (Lioka 7:13). Tsy mafy fo tsy akory Jesosy, fa nitomany niaraka tamin’ireo nitomany teo anoloan’ny fasan’i Lazarosy sakaizany. Ny fampiononana lehibe indrindra entin’i Jesosy ho antsika, dia Izy maty hamonjy antsika, nitsangana tamin’ny maty, ary velona. Koa izay rehetra mino Azy dia hitsangana ho velona indray, mba hiaraka aminy.

Raha misafidy isika hankatò ny Tompo am-panetrentena sy hiankina amin’ny fahasoavany, matetika izany fihetsitsika izany dia hiteraka fijaliana sy famoizan-javatra maro, toy ny namana, asa fivelomana, fialam-boly, sns. Ny hoe ory dia mahatsapa alahelo vokatry ny famoizan-javatra, iaretana na ekena satria misafidy hankatò ny Tompo. Dia hampahafantarin’i Jesosy anao ny atao hoe sambatra, manana fampiononana. Sambatra satria vavolombelon’i Kristy, sambatra satria mahatsapa fa eo anilantsika Izy !

Daniela, izay natao sesitany tany Babylona, dia ory satria niely patrana ny mpiray firenena aminy. Nanohy nivavaka intelo isanandro izy, na dia namoaka didy nandrara izany aza ny mpanjaka. Natsipy tao anaty lavaky ny liona izy, nefa nony ampitso dia navoaka avy tao, tsy naninon-tsy naninona, ary naseho ho vavolombelon’ny herin’Andriamanitra, manerana ny fanjakan’ny amperora (vakio Daniela 6).

„Fa izy no hampifalina” (Matio 5:4).