Talata 22 Febroary 2022

Izao no mampionona ahy amin’ny fahoriako ; ny teninao no mamelona ahy. Salamo 119:50

Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra. Hebreo 4:12

 

Fampiononana

Tamin’ny faramparan’ny volana aogositra 1939 dia niditra tao anaty ady mandripaka i Eoropa, ady hanova ny fiainana andavanandro-na ankohonana maro. Voantso ho miaramila i Louis, ka voatery namonjy ny vava ady. Navesatra ny fony nandao ny vadiny sy ireo zanany kely roa, ary i Henri zandriny aza, mbola menavava.

Vetivety foana dia lasa babo izy, ary natao sesitany tany amina toby tany atsinanan’i Eoropa. Nandritra ny enin-taona tena nahatorovana, dia nandeha teny ny fiainana tao amin’ny toeram-pambolena sy fiompian’izy mianakavy. Nampangirifiry mafy ny tsy naha teo azy, na tamin’ny asa tany, na tamin’ny fikarakarana ny biby fiompy, ny saha, na tsotra izao, rehefa mihaona ny fianakaviana, nefa izy tsy eo. Na teo aza ny fahalavirana sy ny sivana nataon’ny manampahefana, dia nisy ihany vaovao fohy azo nifampizarana an-taratasy. Nandeha ny taona, ary ny iray tamin’ireo taratasy nandrasan’i Louis fatratra dia nandetika azy tao anaty fahoriana tsy hay lazaina : tra-doza tampoka i Esther zanany vavy kely, may, ka namoy ny ainy. Eritreritra maro mampamoy fo no nameno ny sainy. Nahoana aho no eto, lavitra, tsy afaka manao na inona na inona, tsy afaka miaraka amin’ny ankohonako akory, ao anatin’izao fitsapana goavana izao, ary tsy nahita maso ny zanako akory ?

Niezaka nampionona ity namany ory ireo rehetra niara-babo taminy, nefa tsy nahomby. Taona vitsivitsy taorianan’ny nahatapitra ny ady, dia nijoro ho vavolombelona ny iray tamin’izy ireo, nilaza hoe : nionona izy rehefa namaky ny Baiboliny, izay tsy nisaraka taminy mihitsy.

Ny Baiboly, izay tena Tenin’Andriamanitra, dia manana hery tsy hay lazalazaina mba hampionona sy hampahery.

„Andriamanitry ny fampiononana rehetra… mampionona anay amin’ny fahorianay rehetra” (2 Korintiana 1:3, 4).