Alarobia 23 Febroary 2022

Moa tsy hain’Ilehity, Izay nampahiratra ny mason’ilay jamba va, ny manao izay tsy ho nahafaty an-dralehilahy ity ? Jaona 11:37

Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo… hoy Jehovah. Fa tahaka ny haavon’ny lanitra noho ny tany no haavon’ny làlako noho ny làlanareo. Isaia 55:8, 9

 

Tsy hainy va… ?

Ny andinin-tSoratra Masina voalohany voalaza eo ambony dia tohy-na tantara iray ao amin’ny Filazantsara, milaza fa marary i Lazarosy, sakaizan’i Jesosy (Jaona 11). Nampandrenesin’ny anabaviny roa Jesosy, Izay tsy teo amin’ny faritra manodidina. Nanantena izy mirahavavy fa ho avy Jesosy hanasitrana azy. Nefa tsy dodona handeha Izy, ary nanazava tamin’ny mpianany fa naniry hiasa hampisehoany ny voninahitr’Andriamanitra. Saingy maty i Lazarosy. Alahelo toy inona moa ny azy mirahavavy, izay diso fanantenana tamin’ny fihetsik’i Jesosy ! Nitsena Azy izy ireo, ary nilaza taminy fa raha teo Izy dia tsy ho maty ny anadahiny. Nisy olona hafa ihany koa nitsikera hoe : Vao avy nahasitrana olona iray teraka jamba Jesosy, ka tsy hainy va ny ho nanasitrana an’i Lazarosy ? Nanana fahefana hanafahana amin’ny fanaintainana sy ny aretina Izy. Dia tsy nampiraika Azy ve ny aretin’i Lazarosy ? Tsy takatry ny saina izany ! Inona no tiany hampianarina azy ireo ?

Indro Jesosy nanatona ny lava-bato nandevenana an’i Lazarosy, maty efa efatra andro. Niara-nitomany tamin’ireto mpirahavavy Izy. Nasainy nesorina ny vato nanidy ny lava-bato, ary natsangany tamin’ny maty i Lazarosy. Hitan’ny rehetra ny fifandraisam-po feno fitiavana tao amin’i Jesosy, ny fahamoram-pony, nefa koa ny heriny, izay mahery noho ny fahafatesana. Raha tonga nanasitrana an’i Lazarosy narary Izy, dia tsy ho namirapiratra toy izao ny voninahitry ny Zanak’Andriamanitra.

Maro aoka izany ny fanontaniana eo amin’ny fiainantsika kristiana ! Tsy fahombiazana, loza tampoka, aretina, fahafatesana ; nefa tsy niditra an-tsehatra Jesosy. Tsy hainy va ? Matoa Izy tsy nanao izany, dia aoka ho azontsika antoka fa manana antony Izy. Na oviana na oviana Izy tsy hoe tsy miraharaha ny fahoriantsika, fa te hampahafantatra antsika ny fiarahany miory amintsika, te hanafaka antsika amina fomba tsy ho fantatsika mihitsy, raha tsy izay.