Alakamisy 24 Febroary 2022

Izay hatramin’ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan’ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain’ny tànanay, dia ny amin’ny Teny Fiainana… no ambaranay aminareo. 1 Jaona 1:1-3

 

Fiheveran-diso fito mombany finoana kristiana (1)

1. Zavatra noforomporonina izany !

Tsia ! Tsy avy tamin’ny fisaintsainana no nivoahan’ny finoana kristiana. Andriamanitra dia tsy noforonin’ny olombelona, ary tsy tahaka ny endriny. Izy no namorona ny olona „tahaka ny endriny”, ary avy eo naneho ny tenany tamin’izy ireo, na mivantana na tamin’ny alalana mpaminany, ary indrindra tao amin’i Jesosy Kristy.

Ny Baiboly dia boky mirindra tsara. Na dia niaina tamina vanimpotoana samihafa aza ireo olona nanoratra azy, dia mifanaraka tanteraka ny hafatra entin’ny Baiboly. Ny lahasoratra ao amin’ny Testamenta Taloha dia manambara ny hahatongavan’i Jesosy Kristy, fahatongavana velabelarina ao amin’ny Testamenta Vaovao.

Ny mpianatr’i Jesosy dia nitory ny Filazantsara. Notarihin’ny Fanahy Masina izy ireo no nitatitra ny zava-nisy hitan’ny masony sy ireo tenin’i Jesosy mihitsy. Jesosy dia nanao fahagagana, nitory ny fitiava-namana, maty mba hanonitra ny fahotantsika, nitsangana velona indray, ary niakatra any an-danitra… Talohan’ny nandehanany dia nohafarany ireo mpianany mba hanambara fa homeny ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy. Resy lahatra tanteraka izy ireo nanatanteraka ny asa nanirahana azy, ny sasany aza nanao vy very ny ainy mihitsy.

2. Mino Andriamanitra tsy manao ny rariny izany !

Diso ! Fa hiteny angamba ianao hoe, koa nahoana àry no avelany hisy ny fijaliana, ny aretina, ny loza amin’antambo, na ho an’ny tsara fanahy na ho an’ny ratsy fanahy ? Ny Baiboly dia mamaly fa ny fahoriana sy ny fahafatesana dia vokatry ny tsy fankatoavantsika. Nahoana isika no sahy mitsara an’Andriamanitra, nefa tokony hihaino Azy ? Andriamanitra dia niteny tamintsika tao amin’ny Zanany, Izay nanao fanadiovana hahafaka ny fahotantsika, tamin’ny tenany (Hebreo 1:1-3).