Zoma 25 Febroary 2022

(Hoy Jesosy :) Mahatafintohina anareo va izay ? … Ny Fanahy no mahavelona ; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona ; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana. Fa misy ny sasany aminareo izay tsy mino. Jaona 6:61-64

 

Fiheveran-diso fito momba ny finoana kristiana (2)

3. Mifanohitra amin’ny siansa izany !

Maneho fomba fisainana miangatra ny filazana hoe „ny rijan-kevitra momba ny Fivoarana no nanolo ny finoana ny Fahariana”. Satria na dia tsy boky momba ny siansa aza ny Baiboly, ary tsy mampiasa fomba fiteny ara-tsiansa, dia marina avokoa izay rehetra ambarany ! Avereno vakina ny toko voalohany ao amin’ny Genesisy. Ny filaharan’ny fisehoan’ireo singa fototra (kintana, Tany, ranomasina, kontinenta, zavamaniry, biby, olona) dia ny filaharana notazonin’ireo mpahay siansa ankehitriny. Ny haifahagola (archéologie), ny asa fitsaboana ary ny haiatintany (géologie) dia samy manamafy ny fanambaran’ny Baiboly avokoa —nefa ilaintsika ve izany ?

4. Tsy manatsara kokoa ny olona izany !

Tsy nanome voninahitra ny kristiana ireo nantsoina hoe Ady Masina (Croisades), ny „Inquisition” (fitsaran’ny mpitondra fivavahana nanasazy ny nolazainy ho fialana amin’ny foto-pampianarana kristiana, ny famosaviana ary ny fanaovana majia), mbamina fivaonana maro hafa. Nefa tena kristiana tokoa ve ny nanao ireo zavatra ireo ? Jesosy dia niteny fa samy fantatra amin’ny voany avy ny hazo rehetra (Lioka 6:44). Ny finoana no mahavonjy, fa ny fisiany kosa dia ny asa tsara no mampiseho izany, avy eo. Tsy afaka ny ho kristiana, raha finaritra tsy mankatò an’i Kristy.

5. Mametraka faneriterena betsaka izany !

Rehefa mino an’i Jesosy, dia mandray fiainam-baovao. Manomboka hatreo dia miova tanteraka ny fomba fijery ny tena sy izao tontolo izao ary ny fiainana. Ny kristiana dia mankafy ny mihaona amina mpino hafa, mamaky Baiboly, mivavaka, manao soa amin’ny hafa. Tsy mahasarika azy intsony toy ny teo aloha ny antsoin’ny Baiboly hoe fahotana. Iainany tsikelikely ny hoe mahasambatra azy sy ireo hafa manodidina azy ny fakàny tahaka an’i Jesosy.

Ny kristiana dia tia an’Andriamanitra sy tia ny namany (Matio 22:37-39). Azo atao avokoa izay rehetra manaja izany fitsipika fototra hiainana izany… Izany no lalànan’ny fahafahana (Jakoba 1:25).