Asabotsy 26 Febroary 2022

(Hoy Jesosy :) Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin’ny fiainana. Matio 7:14

 

Fiheveran-diso fito mombany finoana kristiana (3)

6. Antokom-pivavahana maro no milaza ho manana finoana kristiana !

Ny kristiana dia ireo izay manaiky an’i Jesosy Kristy ho Ilay Zanak’Andriamanitra, Ilay Mpamonjiny sy Tompony. Izy ireo no miara-mandrafitra ny Fiangonan’i Jesosy Kristy. Tsara raha mba hita maso kokoa ny maha iray ny kristiana, saingy tsy tokony ho firaisana amboaboarina. Ary raha ireo vondron’olona milaza azy ho kristiana, nefa manana tanjona hafa noho ny hanome voninahitra an’i Jesosy Kristy sy hanompo Azy, tokony hoheverina ho kristiana ve izy ireo ? Ny tena Fiangonana dia ny fiangonana aorin’i Jesosy Kristy, fiangonana voarafitr’ireo rehetra mino Azy.

7. Ny finoana hoe ? mba tsotsotra loatra e !

Hoy ianao ! Marina fa afaka hanana finoana kristiana ny olona rehetra, ary toa tena tsotra tokoa ny lalan’ny famonjena, satria hoe ampy ny mino an’i Jesosy. Nefa izany dia midika fa manaiky ny maha mpanota ny tena, ary tsy afaka ho mendrika hahazo ny paradisa : izany hoe miaiky fa resy.

Misy sasany sahy milaza fa ny finoana an’i Jesosy Kristy dia vahaolana tsotsotra handosirana ny tebiteby sy hampitoniana saina, manoloana ny fahafatesana. Tsy dia mampitombin-tsaina araka izany loatra ny Baiboly, satria milaza fa aorianan’ny fahafatesana dia hisy fitsarana (Hebreo 9:27). Tsy misy anjara tsara fanindroany. Manambara ihany koa anefa ny Baiboly hoe : „Izay mino ny Zanaka, manana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:36). „Tsy misy famonjena amin’ny hafa ; fa tsy misy anarana hafa… nomena ny olona, izay hahazoantsika famonjena” (Asan’ny Apostoly 4:12). Ireo nino Azy ihany no afaka antsoina hoe kristiana.