Alahady 27 Febroary 2022

Fa ianareo nandà Ilay Masina sy Marina, ary mpamono olona no nangatahinareo halefa ho anareo ; fa ny Tompon’ny aina kosa no novonoinareo ; fa Izy natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty. Asan’ny Apostoly 3:14, 15

 

Safidim-bahoaka, nefa nitera-doza

Tsara vakina : Matio 27

Tamin’ny andro hanomboana an’i Jesosy eo amin’ny hazofijaliana, dia nilaza tamin’ny vahoaka ny governora Pilato fa hamotsotra olona iray voaheloka ho faty. Koa tsy maintsy nanao safidy izany ny vahoaka. Etsy andaniny, Barabasy, mpamono olona niandry tany an-tranomaizina ny andro hamonoana azy ; etsy ankilany kosa, Ilay Zanak’Andriamanitra, tonga mba hamonjy ny olona. Tsy maintsy nisafidy tamin’izy roa ireo. Ny iray dia hoentina hampijalina, ny iray kosa hahazo fahafahana indray. Niteny tamin’ny vahoaka i Pilato, nanontany hoe : „Iza moa no tianareo halefako ho anareo, Barabasy sa Jesosy ?” Dia niray feo izy, namaly hoe : „Barabasy !” Mba hanamafisany fa tsy nisy resaka mifandiso, dia nanampy i Pilato hoe : „Koa ahoana kosa ary no hataoko amin’i Jesosy, Izay atao hoe Kristy ?” Dia namaly izy rehetra hoe : „Aoka hohomboana amin’ny hazofijaliana Izy”. Naka rano i Pilato, nisasa tanana teo anatrehan’ny vahoaka, ary nilaza hoe : „Afaka amin’ny ran’ity Lehilahy marina ity aho, fa asa anareo !” Ary namaly ny vahoaka, nanao teny mampatahotra hoe : „Aoka ny rany ho aminay mbamin’ny zanakay !” Nolavin’izy ireo ny fitiavan’i Jesosy, ary ankehitriny izy ireo dia mizaka ny andraikitry ny fitsarany.

Tapaka ny hevitra : navotsotra i Barabasy, fa Jesosy kosa nohomboana teo amin’ny hazofijaliana, teo anelanelana jiolahy roa. Talohan’ny nilentehan’ny masoandro dia nalevina tao am-pasana ny fatiny. Nefa hiditra an-tsehatra Andriamanitra. Ny andro fahatelo dia nitsangana velona indray Jesosy ary niseho teo afovoan’ireo mpianany tafavory. Araka izany Andriamanitra dia nampandresy ny heriny sy ny fahalehibeazan’ny fitiavany, tamin’ny nananganany an’i Jesosy ho velona indray. Ilay marina, Ilay Tompon’ny aina, dia namakivaky tam-pandresena ny fahafatesana, mba hamonjy tsy ho faty ireo rehetra mino Azy.