Alatsinainy 28 Febroary 2022

Sambatra ny malemy fanahy ; fa izy no handova ny tany. Matio 5:5

Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana ? Aoka hasehony amin’ny fitondrantena tsara ny asany amin’ny fahalemem-panahin’ny fahendrena. Jakoba 3:13

 

Sambatra ny malemy fanahy (4)

Ity „Sambatra” fahatelo ity dia akon’ny teny ao amin’ny Salamo 37 hoe : „Fa ny mpandefitra (ireo malemy fanahy) kosa no handova ny tany” (and 11). Toy ireo „Sambatra” rehetra, izy ity dia mifanohitra amin’ny soatoavin’izao tontolo izao, izay tarihin’ireo mahery ary mahatonga fahavoazana ho an’ireo malemy kokoa. Nefa lazain’ity „Sambatra” ity antsika fa hiova izany, indray andro any ! Tamin’ny fiainany tetỳ an-tany Jesosy dia „malemy fanahy sady tsy miavona am-po” (Matio 11:29). Mbola ho toy izany hatrany Izy, ao amin’ilay fanjakany miaraka amin’ireo izay handova ny tany (5:5).

Ny mpianatr’i Jesosy dia taomina halemy fanahy. Ny fahalemem-panahy dia tsy hoe tsy fahasahiana, na tsy fisian-kery, fa tena ilay hery omen’i Jesosy indrindra aza, ka mitarika hifehy tena mba hahasoa ny hafa. Izany dia mifanohitra amin’ny anjonanjona sy ireo fihetseham-po tsy voafehy. Ny olona malemy fanahy dia mety ho tezitra indraindray (rehefa tsiratsiraina ny anaran’Andriamanitra na ny anaran’ny Tompo), nefa na oviana na oviana tsy satria hoe voaratra ny hambom-pony ! Ny olona malemy fanahy dia mametraka am-panetrentena amin’Andriamanitra ny fahaiza-manao ananany sy fihetseham-pony rehetra, ary mitandrina mba tsy hanohintohina ny fiadanam-pony ireo toejavatra etỳ ivelany, na dia manohitra aza. Tsy afaka halemy fanahy, raha tsy manaiky hitoeran’ny fahalemem-panahin’i Kristy ao anatin’ny tena. Ny fifaneraserana aminy, amin’ny alalan’ny vavaka manokana, no mahatonga antsika hahita ny fahalemem-panahiny tsy misy fetra, izay manafoana tsikelikely tsy ho ao am-pontsika intsony ny hamafisam-po, fangidiana, ary fiziriziriana.

Io toe-panahin’i Kristy io ve mba mamaritra ny fifandraisantsika eo amin’ny mpivady, na ao amin’ny ankohonana, na ao amin’ny fiangonana ? „Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetrentena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’Andriamanitra, sady masina no malala” (Kolosiana 3:12).