Talata 1 Marsa 2022

Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo. Filipiana 4:5

… ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imason’Andriamanitra. Fa tahaka izany no niravahan’ny vehivavy masina fahiny, izay nanantena an’Andriamanitra. 1 Petera 3:4, 5

 

Ny hatsaran’ny tokantrano

Miteny amin’ireo vehivavy kristiana manambady ny apostoly Petera ; ambarany mazava fa ny fanahy malemy sady miadana dia „soa indrindra eo imason’Andriamanitra”. Ny irin’Andriamanitra ho an’ny tokantrano kristiana dia fiaraha-miaina anjakan’ny fahalemem-panahy sy ny fiadanana. Manana anjara lehibe indrindra amin’izany ny toetran’ny vady sady renim-pianakaviana, ary manamarika ny tokantrano manontolo.

Matoa Andriamanitra manoritra izany manokana, dia satria tena matetika ny fahari-pon’ny renim-pianakaviana no voazaha toetra amin’ireo zava-manorisory eo amin’ny fiainana andavanandro. Ny zanaka, raha misy, dia mamizana indraindray, ary mandritra ny andro dia misy fotoana sarotra zakaina. Tsy mandeha ho azy, ao anatin’ireny fotoana ireny, ny fihazonana fanahy malemy sady miadana. Mitaky fahafoizan-tena mihitsy izany. Vetivety foana mantsy dia mampiaka-peo na mitady hampanaiky ny hevitry ny tena na ny fananan’ny tena ny rariny. Nefa manoloana toejavatra sarotra, na tsy rariny mihitsy aza, dia manana tombontsoa manokana ny vehivavy kristiana, manahaka an’i Kristy, Ilay môdeliny, Izay nanolotra ny adiny ho amin’ny Mpitsara marina (1 Petera 2:23).

Fa ireo raim-pianakaviana ihany koa dia tokony hampiseho fahalemem-panahy, na dia tokony ho hentitra aza (Filipiana 4:5). Ireo hatsaran-toetra kristiana ireo dia hampateza fiaraha-miaina anjakan’ny fiadanana sy filaminana, ary haha mafy orina ny fanambadiana sy ny ankohonana. Ry mpivady kristiana, fantatsika hoe aiza no ahitana ireo loharanon-kerintsika, dia eo amin’i Jesosy, Izay „malemy fanahy sady tsy miavona am-po”. Marobe amin’izao fotoana izao ny fahavoazana eo anivon’ny ankohonana, koa zava-dehibe ny hampisongadinan’ny tokantrano kristiana ny fampianaran’i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny fahasoavany.