Alarobia 2 Marsa 2022

Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho. Salamo 16:8

Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’Andriamanitra. Lioka 1:37

 

Ny fotoana ankehitriny

Raha mitodika amin’ny lasa isika, na miantoraka amin’ny hoavy, dia mety hanadino ny ankehitriny, ny fotoana mandalo, izay tian’Andriamanitra hiainantsika miaraka aminy. Firifiry moa, mandritra ny andro iray, ny fotoana tian’Ilay manome antsika ny aina hanehoana fa eo Izy, akaiky, be fitiavana, miaro antsika amin’ny ratsy, ary manafaka antsika… Eo Izy amin’ny antsipiriany rehetra amin’ny fiainantsika, miandry koa ho setrin’izany, eritreritra fankasitrahana Azy, hira fiderana avy amin’izay navotany. Vonona mandrakariva ny Tompo hihaino ireo fanontaniantsika, angamba aza antso vonjy ao anaty toejavatra tokony hatrehina tsy misy hataka andro. Mizotra eo amin’ny fanatrehan’ny Tompo Jesosy ve ny andavanandrontsika ? Izy mihitsy, Ilay Olona lavorary, no niteny tamin’ny Rainy hoe : „Fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Ianao” (Jaona 11:42).

Manova ny andro tsirairay ahavelomantsika ny miaina ny fotoana ankehitriny amina toe-po toy izany. Ho foana ny sorisory, fahazarana, fitovy mahamonamonaina, ary hisolo fiadanana, fanovozan-kery tsy tapaka eo amin’ny loharanon’Ilay fitiavana, dia Kristy.

Tsy mora mandrakariva anefa izany ; misy toejavatra sasantsasany, mety hahatonga ny fotoana mandalo ho tsy hay zakaina, sarotra tantanana, mitsapa ny finoana… Nefa te hampionona antsika Jesosy ; mandondòna eo amin’ny varavaran’ny fontsika Izy, mba hanala ny vesatra entintsika, hamafa ny ranomasontsika, hihaino ny fijaliana mbamin’ny adin-tsaintsika, hamaly ny fiekentsika fahotana mba hamelany ireny. Te hanafaka antsika amin’izay mahatonga ny fotoana ankehitriny ho mampahory Izy, ary te hameno antsika amin’ny fiadanany, eo amin’ireo tafiotra ao anatintsika. Izy no Ilay „tena sakaiza tokoa… tia amin’ny andro rehetra” (Ohabolana 17:17).