Alakamisy 3 Marsa 2022

Fa fantatrareo ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanankarena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanankarena anareo ny alahelony. 2 Korintiana 8:9

 

Ilay mahantra manome be aoka izany ho antsika !

Fihinanam-bilona no fandriana natorian’i Jesosy, tamin’Izy teraka (Lioka 2:7).

Rehefa naseho tany an-tempoly Izy, dia fanatitry ny olona mahantra no hany azon’ny ray aman-dreniny nentina (Lioka 2:22-24).

Tany Nazareta, tanàna natao tsinontsinona, no niainany (Jaona 1:46).

Tsy nanana trano onenana Izy (Matio 8:20). Vehivavy maro, samihafa saranga, no „nanompo Azy tamin’ny fananany” (Lioka 8:2, 3).

Niampita farihy tao anaty sambokely Izy, ary natory teo ambony ondana napetraka tao (Marka 4:36, 38).

Nangetaheta Izy, nefa tsy nanana siny hanovozana rano tao am-pantsakana : voatery Izy nangataka tamina vehivavy iray ratsy laza, mba hanome Azy rano hosotroiny (Jaona 4:8).

Mba hamahanany vahoaka maro, dia ireo mofo vary hordea dimy sy hazandrano roa nomena zazalahy kely iray no nampiasainy (Jaona 6:9).

Noana Izy, nefa tsy nisy voany ilay aviavy tazany avy lavitra (Matio 21:18, 19).

Tsy nanam-bola handoavana ny hetran’ny tempoly Izy (Matio 17:24-27).

Zana-boriky an’olon-kafa no nitaingenany niditra tao Jerosalema (Lioka 19:30).

Fasana tsy Azy no nametrahana ny nofony (Matio 27:59, 60).

Tsy nanana na inona na inona Izy, nefa nanome be dia be (andinin-tSoratra Masina androany). Nanolotra ny ainy aza Izy, mba hamonjeny ahy sy ianao (Matio 20:28). Inona no ampiasantsika izany ainy izany ?