Zoma 4 Marsa 2022

… Izay monina mandrakizay. Isaia 57:15

Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay. Jeremia 10:10

 

Mandrakizay

Nisy teny iray nahalasa eritreritra ny mponina tany Sydney, any Australie, nandritra ny telopolo taona. Isa-maraina ny teny hoe „Mandrakizay”, voasoratra tam-pitandremana tamin’ny tsaoka mavo, dia niseho tetsy na teroa tao an-tanàna, eny amina tokonam-baravarana, eny amina sisin-dalana, eny an-tsisim-piantsonana fiarandalamby… Mba iza loatra àry ilay „Ingahy Mandrakizay” saro-pantarina, mpanao ireny soratsoratra ireny ?

Indray maraina dia tratra-na pasitera iray i Arthur, izay fantany tsara, nanoratra teo amina sisin-dalana. Ho fantatry ny olona rehetra ao an-tanàna ilay tsiambaratelo. Hatry ny fony vao tanora i Arthur Stace dia efa tafalatsaka tao amin’ny fisotroan-toaka ary nahantra fadiranovana, mandra-pahatonga ny fotoana niovany fo ho an’i Kristy, Izay nanafaka azy tamin’ny zava-pisotro mahamamo. Taoriana kelin’izany izy dia nahare evanjelista iray niteny hoe : „Ny mandrakizay… Aiza no handanianao ny mandrakizay ?”. Nanakoako tao an-tsainy io teny io, ary dia izy no nanoratra izany teo amin’ny tany, nefa zara raha mahay manoratra. Isanandro alohan’ny fiposahan’ny masoandro dia mivoaka izy mba hanoratra amin’ny tsaoka ilay hafatra fohy nampitainy, imbetsaka araka izay tratrany, mba hitaomany ny mpandalo hieritreritra momba ny maha mihelina ny fiainana, momba ny hiafaran’izy ireo. Nanomboka ny taona 1934 ka hatramin’ny 1967 dia voasoratra in-500.000 eo ho eo ny teny hoe „Mandrakizay”, ary nanjary anisan’ny vakoka any Sydney. Ny 1 janoary 2000, tao anatin’ny afomanga, dia olona an-tapitrisany no afaka nahita ny teny hoe „Mandrakizay”, notarafin’ny hazavana teo amin’ny tetezan’i Sydney.

Nampiasain’Andriamanitra ity lehilahy mahantra ity, tsy mahay manoratra, nanetry tena nefa nahafoy tena tamin’ny fanompoana ny Tompony, mba hikasihana fon’olona maro manerana izao tontolo izao.

Ary fantatrao tokoa ve moa, hoe aiza no handanianao ny mandrakizay ?