Asabotsy 5 Marsa 2022

Raha noravan’Andriamanitra ny tanàna tany amin’ny tany lemaka (Sodoma sy Gomora), dia nahatsiaro an’i Abrahama Andriamanitra, ka namoaka an’i Lota hiala teo afovoan’ny horavana. Genesisy 19:29

Ny fiàsan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra. Jakoba 5:16

 

Nivavaka ho an’ilay zana-drahalahiny izy

Nonina tany an-tendrombohitra i Abrahama, ilay sakaizan’Andriamanitra (Jakoba 2:23), fa i Lota zana-drahalahiny kosa, na dia nahafantatra an’Andriamanitra aza, dia nifindra monina tany Sodoma. Nilazan’Andriamanitra i Abrahama fa hisy famaizana hilatsaka amin’io tanàna feno fahavetavetana io. Nihetsi-po avy hatrany i Abrahama, nieritreritra ny zava-doza miandry ny zana-drahalahiny, ka nivavaka mafy tamin’Andriamanitra, nitalaho taminy mba tsy horavany ny tanàna, raha ahitany olona marina folo monja. Dia nampanantenain’Andriamanitra azy izany…

Nefa ny ampitso maraina dia afo mivaivay midadasika sisa ny tanànan’i Sodoma. Tsy nahita olona marina folo tao izany Andriamanitra. Koa inona izay no niafaran’i Lota ? Dia tsy nilaina ve ny vavak’i Abrahama ? Nilaina ka ! Satria Ilay Andriamanitr’i Abrahama dia Andriamanitra mahatoky, Andriamanitra mihaino vavaka. Hitany ny tebitebin’i Abrahama momba ny zana-drahalahiny, izay anisan’ny fianakaviany. Ary dia feno fangorahana Andriamanitra, ka namoaka an’i Lota sy ireo zanany vavy avy tao Sodoma, talohan’ny nandravany ny tanàna. Nahita fialofana teny an-tendrombohitra izy ireo.

Tsy lazain’ny Baiboly antsika hoe mbola nihaona tamin’i Lota indray ve i Abrahama sa tsia. Na izany na tsy izany, dia tsy foana tsy akory ny vavaka nataony. Matoa Andriamanitra tsy namono an’i Lota, dia satria „nahatsiaro an’i Abrahama” (andinin-tSoratra Masina androany). Noho ilay dadatoa, dia tsy novonoin’Andriamanitra ilay zana-drahalahy.

Ry kristiana, manana havana isika, anisan’ny fianakaviantsika, izay mifangaroharo amin’izao tontolo izao. Mitalaho amin’Andriamanitra ho azy ireny isika, satria mahafantatra fa hilatsaka tsy ho ela amin’ity tontolo feno fahalovana ity ny fitsarana. Aza reraka isika, satria mihaino vavaka Andriamanitra, ary mahatoky. Mety ho any an-danitra vao ho hitantsika ny valin’ny vavaka ataontsika. Nefa aza misalasala isika, na oviana na oviana, mangataka ny fangorahan’io Andriamanitra mahatoky io, ho an’ireo olona akaiky antsika sy tiantsika ireo.