Alahady 6 Marsa 2022

(Hoy Jesosy tamin’ny Rainy :) Izaho efa nankalaza Anao tetỳ ambonin’ny tany ; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko. Jaona 17:4

 

Ny fanomezan’Ilay Andriamanitra Mpamonjy

Ny aina dia fanomezana, Fanomezan’Ilay Mpahary, Fanomezan’Ilay Andriamanitra Mpamonjy. Nanatona antsika izany aina izany Tao amina ankizy kely iray Izay nampianatra antsika hankatò. Nihalehibe io ankizy io ; Raiki-tampisaka tamin’Ilay olona Niasa tsy ankijanona ny hasasarana ; Nanetry tena Izy ary malemy fanahy ; tsy mba nihambahamba Izy. Nomen’ny Rainy asa hotanterahina Izy. Nony mby akaiky ny hariva, tamina fotoana nampivadi-po, Dia nitebiteby Izy ; Niloatra avy ao am-pony, izay navesatra, nisy vavaka Niakatra nameno ny lanitra, hoe : „Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity ; Nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.” Fitiavana faratampony ! Fahafoizantena tsy misy ohatra izany, Nitondra ny Mpamonjy ho eo amin’ny hazofijaliana tao Kalvary. Maty teo amin’ilay hazo voaozona Izy, mba hanaisotra ny otako, Mba hanefa ny tambin’izany sy hanolotra ho ahy ny fiainana. Tonga ny fahazavana ; ny tarany tsirairay Dia manazava ny fontsika, mandroaka ny aloka ao anatiny. Mahagaga ny feon’Ilay Mitantara amiko ny fiainana, mitantara amiko ny fitiavana ! Ary mamela eo amin’ny diany Tsiky vokatry ny fahasoavana, Hanitra avy amina fijaliana Hanitra mamoaka ny fofony ka mameno ny foko Tia fahafahana ; ny foko mitady hatsarana, mitady ny hatsarampon’Andriamanitra. C.B.