Alatsinainy 7 Marsa 2022

Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana ; fa izy no hovokisana. Matio 5:6

Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin’ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana handre ny tenin’i Jehovah. Amosa 8:11

 

Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana (5)

„Sambatra” mahagaga izy ity, manohatra ny fahamarinana amina sakafo, ary mampanantena havokisana ao amina tontolo tsy misy ny tena fahamarinana. Tontolo ahatsapan’ny olona maro ilay hanoanana sy hetaheta fahamarinana, na ao amin’ny fanahiny na eo amin’ireo fifandraisany ara-piarahamonina.

Fa inona moa izany fahamarinana izany ? Ny fahamarinan’ny olona ve, fahamarinana napetraka tamina lalàna sy fomban-drazana ? Nefa ny fieritreretantsika efa voadonto ao anatina fiarahamonina mirona hiantso ny ratsy hoe tsara…

Tsia, fa fahamarinana tena lehibe, hany ka izany no fepetra hidirana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra (Matio 5:20), ary laharam-pahamehana faratampony (Matio 6:33). Tsy fahamarinan’ny olombelona, na dia ireo mpivavaka aza, na koa fahamarinana naorina tamin’ny fanarahana an-tsakany sy andavany ireo lalàna sy fomban-drazana. Fa fahamarinan’Andriamanitra, niainan’i Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra tonga tetỳ an-tany, niainany sy nasehony tamin’ny fomba lavorary. „Fa Kristy… efa nijaly…, ny Marina hamonjy ny tsy marina” (1 Petera 3:18), ary Andriamanitra dia te hanome ny fahamarinany ho an’ny olona rehetra, noho ny sorona nataon’i Kristy, Izay maty noho ny fahotantsika. Marina Andriamanitra, manamarina tanteraka ireo izay mino ny Tompo Jesosy (Romana 3:26). Io dia fahamarinana ananan’ny mpino, ary io no hany azon’Andriamanitra ankasitrahina.

Koa nahoana àry no mbola ho noana sy hangetaheta fahamarinana ? Satria izay efa fenon’izany dia maniry hampifanaraka kokoa hatrany ny fiainany amin’ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny fihainoana tsara ny Teniny.

Tsy ho ela Kristy dia hametraka ny fanjakany, izay itoeran’ny fahamarinana (2 Petera 3:13), ary ireo noana sy mangetaheta izany dia „hovokisana”.