Talata 8 Marsa 2022

Fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ny filany sy fitahiny izy. Ary ny filana, rehefa torontoronina, dia miteraka ota ; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana. Jakoba 1:14, 15

Andriamanitra ô… taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko… Diovy hysopa aho ho afa-pahotana. Salamo 51:1, 4, 7

 

Ny fieritreretan’i Davida

Ao amina tantara iray ao amin’ny Testamenta Taloha, dia notendren’Andriamanitra handimby an’i Saoly mpanjaka i Davida, izay mbola tovolahy. Nahafantatra izany i Saoly, nefa dia nanao haza lambo an’i Davida. Indray andro izy dia niala sasatra teo amin’ny fidirana ho ao amina zohy nieren’i Davida niaraka tamin’ny olony. Nampirisihin’izy ireo i Davida hanararaotra izany mba hanaovany valifaty. Nefa nandà i Davida, nanaja an’i Saoly amin’ny maha olom-boafidin’Andriamanitra azy. Notapahiny fotsiny ny sisin’akanjon’ilay fahavalony, hanaporofoany fa teo am-pelatanany ny ainy. Nefa na io fihetsika io aza dia nahatonga ny fony antra hanome tsiny azy, nony avy eo (1 Samoela 24).

Nandeha ny taona, maty i Saoly, nanjaka i Davida. Tany an’ady ny olony, fa izy kosa nijanona tao an-dapa. Nahatazana vehivavy tena tsara tarehy nandro izy ; ny vadin’i Oria, iray tamin’ny miaramilany, io. Tsy naharitra i Davida fa nitsiriritra, ary dia nisy zaza torontoronina. Niezaka aloha i Davida hampody an’i Oria ho eo anilan’ny vadiny, mba hilazana fa an’i Oria ny zaza, saingy tsy nahomby izany. Koa nasainy naroso any amina toerana mampidi-doza ilay miaramilany nahatoky, mba ho faty any an’ady. Rehefa izany, dia nalainy ho ao an-dapany ilay vehivavy nananotena (2 Samoela 11).

Davida, izay nanana fieritreretana mahafinaritra fony tanora, dia nanjary mpijangajanga, mpandainga ary mpamono olona. Ohatra ny moana ny fieritreretany, nandritra ny volana maro… Tsy maintsy naniraka mpaminany ho any aminy Andriamanitra, mba hahatonga saina azy ny amin’ny fahotany.

Rehefa manalavitra an’Andriamanitra, dia avy tsy ela ny fitotonganana ara-toe-panahy, matetika, ary mihamafy haingana dia haingana ny fieritreretana. Aoka isika hitandrina, hiambina mba hihazona azy ho mora voakasika, satria mamela an’Andriamanitra hanazava antsika. Ny Teniny no hiaro antsika tsy ho lavo, ary hitari-dalana antsika.