Alarobia 9 Marsa 2022

Satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia manana fihavanana amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Romana 5:1

Efa nomeko (nomen’i Jesosy) azy ny teninao ; ary halan’izao tontolo izao izy, satria tsy naman’izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao. Jaona 17:14

 

Vavolombelon’i Kristy hatramin’ny fahafatesana (1)

Justin, kristiana tamin’ny taonjato faharoa, dia maty maritiora. Nanohitra ny Filazantsara izy tamin’ny voalohany, nefa naniry hahafantatra ny marina. Fony tovolahy izy dia nianatra tany amin’ny sekoly-na filôzôfia rehetra nisy tamin’izany fotoana izany tao amin’ny tontolo grika sy romana, saingy tsy nisy namaly ny hetahetam-panahiny izany. Tatỳ aoriana izy dia niresaka tamina lahiantitra iray momba ny faniriany mafy hahita an’Andriamanitra, sy izay rehetra nataony mba ho tonga amin’izany nefa tsy nahitany vokany.

Namaly azy ilay zokiolona hoe ny fampianaran’ny filôzôfa dia tsy afaka tokoa hitondra azy ho amin’ny fahalalana an’Andriamanitra sy ny fiadanam-po tadiaviny : „Ny fahendrena dia tsy nahatonga izao tontolo izao hahalala an’Andriamanitra” (1 Korintiana 1:21). Dia noresahiny an’i Justin ny nanehoan’Andriamanitra ny tenany tamin’ny olona, tamin’ny alalan’ny asasoratry ny mpaminany sy ny Filazantsara, ary nampirisihiny izy hamaky tsara izany. „Mivavaha, hoy izy nanampy, dia hisokatra ho anao ny varavaran’ny fahazavana. Ny Soratra Masina dia tsy afaka ho takatra raha tsy misy ny fanampian’Andriamanitra.”

Nanaraka izany torohevitra izany i Justin, namaky ny Soratra Masina ; nivavaka izy, ary novalian’Andriamanitra ny fangatahany. Hitany tao amin’i Jesosy Kristy ny fahazavana sy ny fiadanana. Teo amin’ny 30 taonany teo izy dia feno fahazotoana ho an’ilay fahamarinana noraisiny sy nameno ny fony. Nandeha tany Egypta sy tany Azia izy, nitory ny Filazantsara tamin’izay rehetra te handre izany. Nitoetra tany Roma izy, ary nanohy nampianatra tao. Niezaka izy hifandray tamin’ireo filôzôfa, naniry hampahafantatra azy ireo ny fahamarinana. Nefa ny iray tamin’izy ireo, antsoina hoe Crescent, dia nitory azy noho izy kristiana, satria sorena nataon’i Justin tsy nanan-kalahatra tao amina adihevitra iray.

(rahampitso ny tohiny)