Alakamisy 10 Marsa 2022

Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana. Apokalypsy 2:10

 

Vavolombelon’i Kristy hatramin’ny fahafatesana (2)

Niseho teo anatrehan’ny mpanapaka tao Roma i Justin sy kristiana enina hafa. Nahita an’i Justin nitafy ny akanjo maha filôzôfa azy izy, ka nanontany azy ny fampianarana toriny.

— Nahazo fahalalana isan-karazany aho, hoy i Justin namaly ; nianatra tany amin’ny sekolin’ny filôzôfia rehetra aho, ary farany, nijanona tamin’ny hany foto-pampianarana marina, dia ny foto-pampianaran’ny kristiana, olona ataon’ireo rehetra ao anatin’ny hajambana tsinontsinona.

— Ry ilay tsy vanona ity, manaraka io foto-pampianarana io izany ialahy ? hoy ilay mpanapaka, nitrerona.

— Eny, ary am-pifaliana ; satria fantatro fa izy io no marina.

Norahon’ilay mpanapaka hovonoina ho faty izy, raha mbola mihazona izany faharesen-dahatra izany ihany. Nefa namaly io vavolombelon’i Kristy io hoe :

— Afaka mampijaly ahy ianao ; nefa izany tsy afaka hanaisotra amiko ny fahasoavana antoky ny famonjena sy anjaran’ireo rehetra an’i Kristy.

Izany no valinteny feno fahazoana antoka nomen’ilay filôzôfa, izay nahita fanantenana velona nony farany, rehefa avy nitoetra ela dia ela lavitry ny fahamarinana.

Dia niezaka ilay mpanapaka nandresy lahatra an’i Justin sy ny namany mba „hanao fanatitra ho an’ny sampy”. Nefa novalian’i Justin hoe :

— Tsy misy olona salama saina, hamoy zavatra azo antoka avy amin’Andriamanitra, mba hanolo-tena ho an’ny fahadisoana sy ny toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra. Ny hany iriko dia ny hijaly noho ny anaran’i Jesosy, Ilay Mpamonjiko, eo anatrehan’ny fitsarana hisehoako am-patokiana.

Nifaly ireo maritiora ary nidera an’Andriamanitra, satria hita ho mendrika ny hijaly sy ho faty ho an’i Kristy. Rehefa avy nokapohina izy ireo dia notapahin-doha. Nahatoky hatramin’ny farany ireo maritiora ireo, ka handray ny satroboninahitra fiainana nampanantenain’ny Tompo homena izay tia Azy (Jakoba 1:12).