Zoma 11 Marsa 2022

(Hoy Jesosy :) Na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin’ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy… Fa izay rehetra mandre izany teniko izany, nefa tsy mankatò azy, dia hoharina amin’ny lehilahy adala, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny fasika. Matio 7:24-26

 

Ny fototry ny ratsy

„Izay tiako hatao ihany no ataoko”, hoy ny fiteny matetika. Nefa, araka ny Baiboly, izany fitiavana tsy hanao afa-tsy izay mahafinaritra ny tena izany, dia marika mampiavaka ny olona te hiaina tsy misy an’Andriamanitra. Izany tsy firaharahana an’Andriamanitra izany, raha ny marina, dia fikomiana aminy. Izany no fahotana manjaka eto amin’izao tontolo izao, izany no fototry ny ratsy.

Moa ve ireo ray aman-drenintsika voalohany, Adama sy Eva, namono olona ? Tsia. Nangalatra ve izy ireo ? Tsia ihany koa. Tsy nankatò tsotra fotsiny izy ireo. Nisy fotoana nanekeny ny fahefan’Andriamanitra ; fa avy eo, nony tsy nankatò izy ireo, dia nandeha tamin’ny sitrapony manokana, ka nanjary tafasaraka tamin’Andriamanitra.

Ny Baiboly dia mampianatra fa hitombo bebe kokoa hatrany ny faharatsiana, any am-parany (2 Timoty 3:1, 2). Mihena kokoa hatrany ny henatry ny olona, miala amin’izay rehetra mety ho fahefan’Andriamanitra na fahefan’olombelona. Izany toe-tsaina izany dia miha mitombo amin’ny ankapobeny, eo amin’ny fiarahamonina môderina : na eo amin’ny ray aman-dreny na ny zanaka, ny mpampiasa, ny mpiasa. Voan’izany avokoa isika rehetra. Koa isika rehetra no tsy maintsy miverina amin’Ilay Andriamanitra Mpahary antsika. Mba tena tonga saina ve isika fa tsy afaka hitondra ny fiainantsika araka izay tiantsika ? Ny fitondrantena toy izany mantsy dia tsy maintsy miafara amin’ny fanalavirana an’Andriamanitra ho mandrakizay. Aoka isika ho matotra, misaintsaina izany. Aoka isika izao :

— voalohany, hankatò an’i Jesosy Kristy, ho valin’ny fitiavany, hanatona Azy ary hiaiky ny fahotantsika, mba handraisantsika ny famelan-keloka avy aminy sy ny fiainana mandrakizay,

— hiaina ny fiainana omeny ary hiaiky fa Jesosy no Ilay Sakaiza sy Tompo tsara indrindra. Hitoky Aminy isanandro.