Asabotsy 12 Marsa 2022

Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, mba ho voataonan’ny fitondrantenan’ny vavy izy (ny lahy), na dia tsy amin’ny teny aza (raha tàhiny misy tsy manaiky ny teny). 1 Petera 3:1

Ianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin’ny fanaka malemilemy kokoa. 1 Petera 3:7

 

Ny fanajana tokony homena ny vehivavy

Tonga teo aloha ve ny Baiboly, raha ny amin’ny zon’ny vehivavy ? Efa ho 4000 taona lasa izay, dia nisy tovovavy iray nangatahina ho vadina lehilahy mpandova manankarena. Hoterena hanambady azy ve ilay zazavavy ? Tsia, fa nohajain’ny fianakaviany ny fahalalahany : „Handeha hiaraka amin’io lehilahy io va ianao ? Ary hoy izy : Handeha aho” (Genesisy 24:58).

Ao amin’ny Ohabolana, ny vehivavy dia mahery, mahaleo tena, ary sahy mihetsika : „Toy ny sambon’ny mpandranto izy, ka avy any amin’ny lavitra no itondrany ny haniny… manome hanina ho an’ny ankohonany sy anjara ho an’ny ankizivaviny [izy]. Mihevitra saha izy ka mahazo azy ; ny vokatry ny tànany no anaovany tanimboaloboka” (Ohabolana 31:14-16).

Nomen’Andriamanitra tsiny faran’izay hentitra, tamin’ny vava-na mpaminany iray, ireo lehilahy tsy nanaja ny vadiny na nanolana tao amin’ny fianakaviana (Ezekiela 22:10, 11).

Ny apostoly Paoly dia manome antsika lesona lehibe momba ny fifandraisana manokana eo amin’ny mpivady, rehefa nanoratra hoe : „Ny vavy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa ny lahy ; ary mba toy izany koa, ny lahy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa ny vavy. Aza misara-pandriana ianareo, raha tsy amin’ny andro sasany ifanekenareo” (1 Korintiana 7:4, 5). Ary hoy koa izy momba ny vehivavy kristiana mpitondratena : „Afaka hanambady izay tiany izy, nefa ao amin’ny Tompo ihany” (and 39).

Fijaliana maro toy inona anie no ho azo nosorohina tsy hanjo ny vehivavy, raha mba nihaino ny Baiboly ny lehilahy ! Jesosy no ohatra mampiseho fitiavana sy fanokanan-tena tokony hananan’ny lehilahy kristiana tsirairay : „Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana, ka nanolorany ny tenany hamonjy azy” (Efesiana 5:25).