Asabotsy 28 Mey 2022

Hoy Jesosy taminy : Izaho no fananganana ny maty sy fiainana ; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Jaona 11:25, 26

Andriamanitra… mamelona ny maty. Romana 4:17

 

Na izany na tsy izany, dia efa tara loatra !

Narary efa ho faty ny zanakavavin’i Jairo, mpitari-pivavahana jiosy iray. Feno tebiteby ilay ray, niangavy an’i Jesosy mba hankany aminy hanasitrana ny zanany, ka niaraka taminy Jesosy. Saingy nisy vahoaka maro nanodidina an’i Jesosy ary nanataraiky Azy. Ary nisy vehivavy iray narary nandritra ny roambinifolo taona, nangataka fanasitranana taminy. Mbola nikarakara azy Jesosy, no nisy hafatra nampivarahontsana nampitaina tamin’i Jairo : „Efa maty ny zanakao vavy ; nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany ?” Efa maty izy, na izany na tsy izany, dia efa tara loatra ; izany no noeritreretin’ny olona nanodidina ity lehilahy ity. Nefa Jesosy koa nahare ilay hafatra. Fantany ny famoizam-pon’ilay raim-pianakaviana, ka niteny avy hatrany Izy hoe : „Aza matahotra, minoa fotsiny ihany” (Marka 5:36). Avy eo dia nanohy ny lalany Jesosy ary nanangana tamin’ny maty ilay zazavavy roambinifolo taona.

Ry ray aman-dreny kristiana, rehefa mampisy adin-tsaina antsika ny zanaka iray, na inona na inona antony, dia mivavaka amin’ny Tompo isika, ho azy, toa an’i Jairo. Mandeha anefa ny fotoana, miharatsy ny mahazo ilay zaza, ary ny Tompo toa tsy miraika. Dia mihevitra isika, amin’izay fotoana izay, fa na izany na tsy izany, dia efa tara loatra… Tsy efa lasa lavitra loatra ve ilay zaza, na efa latsaka ambany loatra ? Heverin’ny manodidina antsika ho efa ratsy ny toejavatra. Nahoana no mbola „manahirana ny Mpampianatra ihany” ? Mbola misy zavatra ho azony atao angaha ?

Rehefa mitady hamoy fo isika, dia aoka hamaky izay nolazain’i Jesosy an’io raim-pianakaviana io, hoe : „Aza matahotra, minoa fotsiny ihany !” Satria ho an’Ilay Zanak’Andriamanitra, dia tsy tara na oviana na oviana izany ny fiasany. Marina fa Izy no Ilay manasitrana ny marary, nefa Izy koa no Ilay manangana ny maty. Aoka isika hanao toa an’i Abrahama, ilay rain’ny mpino : „Nanantena na dia efa tsy nisy nanantenana aza, ka nino”.