Zoma 27 Mey 2022

Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita Izy, miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy. Isaia 55:6

Fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ny anarany, raha mino ianareo. Jaona 20:31

 

Nanova tanteraka ny fiainako Jesosy

„Miaramila legionera aho, teratany avy any Hongria. Mba tiako holazaina anao ny fomba nahafantarako an’Andriamanitra. Tany Hongria aho dia tsy maintsy nobeazina tany amina trano fitaizana zaza kamboty, mandra-pahafeno 18 taona ahy. Avy eo aho dia nilatsaka ho miaramila tao amin’ny tafika hongroa. Tamin’izany fotoana izany dia tsy nanan-toerana teo amin’ny fiainako Andriamanitra : amiko dia tsy nisy fotsiny izao Izy. Rehefa tafiditra tao amin’ny Legiona vahiny aho, dia nandray anjara tamina ady maro. Nandritra ny iray tamin’ireny, tany Afghanistan, indray alina manontolo izaho sy ireo namako dia tao amina toerana norarafan’ny bala avy etsy sy eroa. Natahotra ny amin’ny aiko aho, tamin’io alina io. Dia hoy aho tamin’Andriamanitra : „Raha misy Ianao, dia ataovy tafavoaka velona eto aho”. Tafavoaka velona aho, ka nanomboka nino fa misy izany Andriamanitra izany. Dia nisy fiovana nitranga tato anatiko. Nanambady aho, ary ny rafozambaviko, izay kristiana, dia niresaka tamiko momba an’i Jesosy. Na tsy nahaliana ahy mihitsy aza ny Baiboly, dia nanomboka nankany amina fiangonana kristiana iray aho, satria nisy mpiara-monina vaovao aminay, nanasa anay ho any. Nanomboka nahafantatra ny Baiboly aho, ireo soatoaviny, ary nahatsapa hetaheta te hivavaka. Tao anatin’ny roa taona izao, dia imbetsaka izahay mivady no nahita ireo fahagagana hain’Andriamanitra atao : nanova tanteraka ny fiainako Jesosy. Nanjary tonga saina tamin’ireo fahotako aho, nahatakatra fa tokony hiova, nefa tsy afaka hanao izany samirery, ka mila ny Fanahy Masina. Ankehitriny dia mbola maro ny zavatra tokony hovaina eo amin’ny fiainako, nefa fantatro izao fa hay atao ny zavatra rehetra, rehefa miaraka amin’ny fanampian’Andriamanitra.”

Csaba