Alakamisy 26 Mey 2022

Jesosy nitondra azy hatrany Betania, dia nanandratra ny tànany ka nitsodrano azy. Ary raha mbola nitsodrano azy Izy, dia nisaraka taminy ka nakarina ho any an-danitra. Ary izy ireo nitsaoka Azy, dia niverina ho any Jerosalema sady faly indrindra. Lioka 24:50-52

 

Ny fiakaran’i Kristy tany an-danitra

Nandritra ny 40 andro taorianan’ny nitsanganany tamin’ny maty, dia niseho imbetsaka tamin’ny mpianany Jesosy, ary nanomana azy ireo amin’ny handehanany. Fampaherezana toy inona ho azy ireo moa ny nahita Azy indray sy nihaino Azy !

Nefa tonga ny fotoana hoe hanomboka ny asa fanompoany manokana ny mpianatra, efa nampaherezin’ny fanatrehan’i Jesosy. Tsy ho irery izy ireo, satria talohan’ny nandehanany dia nanavao indray ny fampanantenana efa nataony ny Tompo, hoe : „Ianareo… hatao batisa amin’ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy” (Asan’ny Apostoly 1:5 ; Jaona 14:16). Mba hampahazava tsara ny zavatra rehetra, dia naverin’ny Tompo faritana ny asa anirahana azy ireo : „Ianareo… ho vavolombeloko any Jerosalema, sy eran’i Jodia sy Samaria, ary hatramin’ny faran’ny tany” (Asan’ny Apostoly 1:8).

Ho fihetsika farany alohan’ny handehanany, Jesosy dia nanandratra ny tanany eny amin’ny lanitra ary nitsodrano ny mpianany. Avy eo Izy dia nakarina hiala tamin’ny tany, ary tsy hita intsony teny amin’ny rahona. Nefa sarotra tamin’ny mpianatra ny tsy hijery ny lanitra intsony. Mbola hiseho indray ve Ilay Mpampianatra malalany ? Nisy anjely roa niseho tamin’izy ireo mba hanome toky azy ireo, ka niteny taminy hoe : „Iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra” (Asan’ny Apostoly 1:11). Ankehitriny isika, amin’ny alalan’ny finoana, dia mahita ny Tompo „mipetraka eo amin’ny tanana ankavanan’ny Lehibe any amin’ny avo” (Hebreo 1:3). Eo Izy no mandray ny vavaka ataontsika sy mivavaka ho antsika ; eo koa Izy no miara-mitondra amintsika ny fahalementsika (Hebreo 4:14-16).

Tsy nahafoy ny tany na ny olony tsy akory Jesosy, rehefa nandeha nankany amin’ny Rainy. Aza hadinointsika ny fampanantenany hoe : „Indro, Izaho momba anareo mandrakariva” (Matio 28:20)… hatramin’ny farany.