Alarobia 25 Mey 2022

Hatoky Anao izay mahalala ny anaranao ; fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô. Salamo 9:10

 

Vavaka

Ianao Izay manana Ny zavatra rehetra Sy manome izany ho anay isanandro, Raiso, Ray ô ! Ny vavakay Feno fankasitrahana sy fitiavana.

 

Aoka, noho ny fahasoavanao, Ny fotoana izay mandalo Mba hitarika anay hanakaiky Anao ! Ary mba ho isan’ora, Ny fonay dia hiakatra amin’ny finoana Any an-tranonao !

 

Ry Mpamonjy mahatoky, Andriamanitra fakan-tahaka, Hany mendrika hitarika ny diako, Manintona ahy ny feonao, Ary etỳ an-tany aho dia tsy mangetaheta Afa-tsy ny hanahaka Anao.

 

Lalana mahasambatra, Lehibe ny fifaliako : Eo ambany masonao, ry Mpamonjy be indrafo, Dia tsapan’ny fanahiko Fa ao aminao no ahitany Fahafaham-po tanteraka.
J.R. Mazeirac