Talata 24 Mey 2022

Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka aza mitsahatra. 1 Tesaloniana 5:16, 17

Miareta tory sy mivavaha ianareo. Matio 26:41

 

Vavolombelona tsy miovaova hevitra

Tamin’ny faran’ny taonjato faha-19 i William Booth, mpanorina ny Tafiky ny Famonjena, dia nanoratra hoe : „Ny loza lehibe indrindra mitatao amin’ny taonjato faha-20 dia fivavahana kristiana tsy misy Fanahy Masina, kristiana tsy manana an’i Kristy, famelan-keloka tsy misy fibebahana, famonjena tsy misy fahateraham-baovao”. Tsy izany ve no hitantsika eo amin’ny tontolo kristiana ankehitriny ?

Booth dia efa niady mba hitory tsy an-kalemena ny Filazantsara madio tanteraka. Ny iray amin’ireo fiadiany mandaitra indrindra, fiadian’ny kristiana mahatoky rehetra, dia ny vavaka an-kafanam-po. Matetika izy dia mivavaka mandritra ny alina manontolo, alohan’ny handehanany hitory ny Tenin’Andriamanitra. Olona maro fadiranovana, mpisotro toaka, no nitodika tamin’Andriamanitra, ny sasany kosa dia nanjary fahavalony faran’izay masiaka. Indraindray izy dia nokapohina, nodakadakana, nororana. Indraindray izy dia nody tany an-tranony, mihosin-dra sy mangana, rehefa avy nitoriteny tany amina faritra sasany any Londra. Dia mbola niara-nivavaka tamin’ny vadiny ihany izy, ary niarina indray feno hery, voatafy herim-po vaovao. Tamina diany iray dia voasakana asa fanamboaran-dalana izy. Nohararaotiny izany mba hiresahana amina mpiasa vitsivitsy tsy nisy atao, ka hoy izy : „Aminareo ireo dia misy sasantsasany tsy mba mivavaka mihitsy. Nilaozanareo efa hatry ny ela ny vavaka. Fa ahoana ? Tsy mba mivavaka ho an’ny zanakareo ve ianareo ?” Afaka minitra vitsivitsy dia maro tamin’ireo no nandohalika mba hivavaka mangina.

Ry kristiana ! Ndao hivavaka, toy ny ohatra nomen’i Jesosy mihitsy, Izay „naharitra nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina” (Lioka 6:12). Dia tsy handalo fotsiny fotoana tokony hitoriana ny Filazantsara isika.