Alatsinainy 23 Mey 2022

(Hoy Jesosy :) Fa ankehitriny ianareo mitady hamono Ahy, Izay Lehilahy nilaza ny marina taminareo, dia izay efa reko tamin’Andriamanitra. Jaona 8:40

Avy tamin’Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako atỳ ; fa Izaho tsy tonga ho Ahy, fa Izy no naniraka Ahy. Jaona 8:42

 

Toetra maha Andriamanitra sy maha Olona an’i Jesosy Kristy (2)

Tsara vakina : Jaona 8:48-59

Hitantsika ao amina ohatra iray fahatelo Jesosy, Izay Olona, manasongadina ny fahalehibeazany, amin’ny maha Andriamanitra Azy.

Nandritra ny resaka nafana iray dia niakatra ny feon’ireo Jiosy nanohitra an’i Jesosy, ary niteny ratsy Azy izy ireo. Nananatra azy ireo Jesosy, hoe : „Izaho… mankalaza ny Raiko, ary ianareo kosa mahafa-boninahitra Ahy”. Erỳ aoriana kely Izy dia nanamarika ny finoan’i Abrahama, izay efa nahatsinjo sahady ny hahaterahan’ny Mesia : „Ravoravo Abrahama rainareo hahita ny androko ; ary nahita izy ka faly”. Tsy nahatakatra izany teny izany ireo mpanohitra an’i Jesosy, ka namaly an’avona hoe : „Tsy mbola dimampolo taona akory Ianao, ka dia efa nahita an’i Abrahama va ?” Koa feno fiandrianana Jesosy no nanao fanambarana iray amin’ireo lalina indrindra ao amin’ny Filazantsara, hoe : „Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho”. Amin’izany teny izany Jesosy dia nampitovy ny tenany amin’i Jehovah, Izay niteny hoe : „Izaho Izay Izy” (Eksodosy 3:14).

Teo no ho eo ihany ny valiny. Nitsara an’i Jesosy ho miteny ratsy an’Andriamanitra izy ireo, ka naka vato mba hitoraka Azy. Inona kosa no nataon’Ilay Zanaka mandrakizain’Andriamanitra ? „Jesosy niery ka niala teo an-kianjan’ny tempoly”. Lalina izany, raha fanetrentena, fanehoana ny maha Olona ! Toy ny olona natao haza lambo, dia niery Ilay tonga mba ho Mpamonjy izao tontolo izao, ary niala tamin’ny herisetran’ny olombelona.

Tsy afaka ny tsy hampiraika antsika Jesosy Kristy. Isika ve mahita Azy ho olona tsotra mahatonga fahatezerana noho ny hafatra mitory fahamarinana entiny ? Sa isika mino ny teniny hoe : „Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho” ? Izy mantsy no Ilay Andriamanitra velona, omaly sy anio ary mandrakizay.