Alahady 22 Mey 2022

Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra… Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika ; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra mendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray. Jaona 1:1, 14

 

Toetra maha Andriamanitra sy maha Olona an’i Jesosy Kristy (1)

Tantara maro ao amin’ireo filazantsara no manasongadina antsipiriany mampiseho fa Jesosy dia Olona, ary ny sasantsasany mampiseho fa Andriamanitra Izy.

Indray andro Izy, tao amin’ny tanàna nahabe Azy, dia nandray fitenenana tao amin’ny synagoga. Liana nihaino Azy ireo izay nahafantatra Azy, nefa vetivety foana dia nanelingelina ny teniny, hany ka nandroaka Azy ny vahoaka ary nitondra Azy tany amin’ny moron’ny hantsana niorenan’ny tanànan’i Nazareta, mba hanjera Azy any. Herisetra mahatsiravina ! Nanaiky hoentin’io vahoaka tezitra io Jesosy. „Nefa Izy namaky teo afovoany, ka dia lasa nandeha” (Lioka 4:30). Niseho tam-pahatsorana tanteraka ny heriny.

Tatỳ aoriana, tany Jerosalema dia Izy no anton-dresaky ny rehetra. Nanontany tena momba Azy avokoa ny olona rehetra. Ny sasany, nanambany Azy noho Izy avy any Galilia, any avaratr’Israely ; nefa araka ny faminaniana, ny Kristy dia tsy maintsy avy any Betlehema, any atsimo. Tsy fantatr’izy ireo fa tany indrindra Izy no teraka, tao anaty fahantrana sy tsy firaharahan’ny rehetra. Nisy mpiandry raharaha nirahina hisambotra Azy. Hitondra lehilahy mitovy amin’ny olona rehetra ve izy ireo ? Tsia ! Namirapiratra indray ny maha Andriamanitra Azy : „Tsy nisy naninji-tànana taminy. Ary ny mpiandry raharaha nankeo amin’ny lohan’ny mpisorona sy ny Fariseo, ka hoy izy ireo taminy : Nahoana ianareo no tsy nitondra Azy ? Ny mpiandry raharaha namaly hoe : Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany” (Jaona 7:44-46).

Isika ve mba toa azy ireo, tohina sy mitolagaga amin’ny maha Izy an’i Jesosy Kristy ?

(rahampitso ny tohiny)