Asabotsy 21 Mey 2022

Mahareta amin’ny fivavahana. Kolosiana 4:2

(Hoy Jesosy :) Mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo. Jaona 16:24

 

Maharitra (2)

Fahoriana lehibe iray dia mety hanosika antsika hanomboka ady tena izy amin’ny alalan’ny vavaka. Hitantsika ao amin’ireo filazantsara ny renim-pianakaviana iray, niatrika ady toy izany ho an’ny zanany vavy azona demonia. Ny vavaka nataony dia antsoantso niantefa tamin’i Jesosy, ary nisisika aoka izany izy ka notadiavin’ny mpianatra horoahina, satria „miantso mafy” tao aorianany (Matio 15:23). Fizahan-toetra voalohany atrehin’io vehivavy io izany. Ambonin’izany, na dia henon’nyTompo Jesosy aza io fangatahana io, dia tsy namaly avy hatrany Izy. Noho izany io reny io dia nanohy nangataka tamin’Ilay hany fanantenany sy tsy tiany hialana. Dia namaly ny fangatahany Jesosy, satria „lehibe ny finoanao”, hoy Izy taminy (and 28).

Ao amin’ny Testamenta Taloha ihany koa dia ahitantsika renim-pianakaviana iray nampiseho fisisihana mikiry toy izany. Izy io dia vehivavy mpanankarena nanampy ny mpaminany Elisa. Koa nomen’Andriamanitra azy ilay zanaka niriny fatratra. Taona vitsivitsy taorianan’izany anefa dia maty io zaza io. Tao anatin’ny fahoriany dia nandeha avy hatrany ity reny, nitady ilay mpaminany. Mpanompo fotsiny no nirahin’i Elisa. Nefa ilay mpaminany mihitsy no notakian’io reny io : „Tsy hiala aminao mihitsy aho”, hoy izy taminy (2 Mpanjaka 4:30). Nanoloana ny fisisihany, dia niaraka taminy i Elisa ary namerina ny ain’ilay zaza, noho ny herin’Andriamanitra.

Ny vavaka mitalaho mafy nataon’ireo vehivavy roa ireo, avy amina finoana maharitra, no namonjy ireo zanany. Tsy di-doha tsy akory ny fisisihan’izy ireo. Ny finoana dia manome haja an’Andriamanitra : tsy maintsy valiany fitia mandrakariva izany.